Malaza ka be mpitsidika sy mpampiasa ny tambazotran-tranonkala Facebook. Isan’ireo ataontsika hoe andrarezin’ny serasera eran’izao tontolo izao ankehitriny. Raha tsorina dia enjana be ry zareo namolavola azy. Misy lafiny vitsivitsy tokony ho tsapantsika malagasy sy tany andalam-pandrosoana anefa fa tsy dia natao ho antsika loatra ny sasantsasany amin’ny facebook. Ny fitadiavana namana no tena tian-kambara eto. Fantantsika, ary efa navoaka ofisialy aza fa nisy mpiserasera amin’ny facebook amina tapitrisany tato anatin’ny telovolana no nisintaka tsy nampiasa izany intsony tany Canada sy Etazonia. Inona no antony ? Tsy afa-po ry zareo na raha tiana hasarotina dia tsy voavaha ny olana misy eo aminy. Inona no olana ? Tsy mahita namana tena namana azo itokisana amin’ny alalan’ny facebook. Eo indrindra no tiana hanairana ny saintsika. Ny tany efa mandroso dia manana ilay fomba fiaina hoe « individualisme » na raha adika malalaka dia ny hoe « izaho ihany ». Io no miteraka ny « propriété privée » na « toerana mana-tompo tsy azo kitihina ». Ka voafefy tsy azon’olona idirana ny tokotany, feno « camera de surveillance » ny manodidina ny tanana, misy « détecteur de mouvement » sy « détecteur de chaleur » ny etsy sy ny eroa, hamafisina amin’ny alalan’ny hidi-trano elektronika ny vavahady sy varavarana, sy ny sisa sy ny sisa. Izany hoe lasa fahavalo ny olon-kafa, lasa atahorana satria heverina fa manelongelina. Ka amin’ny fomba ahoana moa no ahafahana manana namana amin’izany. Mandositra sy matahotra ny olona. Tsy misy intsony ilay tena fifaneraserana amin’ny olona samy olona fa lasa « virtuel » sisa. Hany ka na ny mpiray vodirindrina, sy ny mpiara-monina trano be iray aza tsy mifankahalala akory. Dia ny sisa azo atao dia mitanondrika amin’ny « ordinateur » mitady namana. Nefa na mahazo namana aza dia misalasala satria olona tsy fantatrao akory fa ny solosaina no misolo ny fihaonana. Kanefa tadidio fa na ny biby aza rehefa tiana ho namana dia antonina araka ilay fiteny malaza hoe « si tu cherches un ami, apprivoise moi ».
Ny olana ho antsika malagasy dia ny tsy fahatsapantsika fa isika dia mbola olon’ny fiaraha-monina mivantana. Tia miresaka eny an-dalana, tia mifanatsafa sy mifandray tanana isak’izay mifankahita, tia mifamangy ary tsy mbola mihafahafa rehefa amin’ny mpinamana sy ny mpiara-monina fa mifamonjy sy mifanampy. Ny antsika ny fiaraha-monina tena mbola misy hafanana satria mifampanontany vaovao ny rehetra, miezaka hifandray amin’ny fomba tsotra sy tena mbola natoraly. Ny antsika anie ny mpinamana mbola mamy ilay hoe mifampisioka fa te hihaona eny antokontany eny é ! Ka inona moa no tena ilantsika ny fitadiavana namanamana amin’ny facebook na amin’ny karazana hafa, kanefa ny antsika aza eto tsy lany « mamy », misioka dia izy. Izaho tsy miteny hoe aza manao facebook fa mampahafantatra hoe inona no antom-pisian’ny facebook namana. Ny akabeazantsika aza izay manao facebook dia ny hitady namana vazaha no betsaka : vazaha ho vadiana na vazaha hakana vola. Tsara ny manaraka ny fandrosoana fa tsaratsara kokoa ny mahafantatra tsara ny fandrosoana arahina. Ny mampalahelo mantsy dia rehefa leo amin’io facebook io ny vazaha namorona azy dia holazainy hoe « katatia katata » na hoe « izao no maharatsy io sy ny sisa » dia eo ianao no raisina fa nataony fandalovana fotsiny. Diniho ihany aloha vao mandefa sary amin’ireny fa ataon’ny olona hoe « tia vao » eo. Misy tsara ohatran’ny namana mifanerasera vatana sy mifampitsiky aminao isan’andro aiza moa. Arak’ilay hirantsika fahazaza izao hoe « misy misioka eny an-dalam-be… misy mitsiky ao anatin’ny maro, namana. Naman’ireo, tena namana, naman’ireo fa tsy mba namanamana. »
‘Najaris.