Ny Ntaolo

Iza moa ireo antsoina hoe Ntaolo ?

Fahiny fahagola dia nisy mponina teto ampovoan-tany izay novantanin’ny vahiny
sy ny misionera raha tonga nitory ny filazantsara taty izy ireo. Mbola
fiaraha-monina madio no nanjaka tamin’izany. Nanana rafitra mazava izy ireo na
dia voafaritry ny fanjakana nitsotokotoko aza, ary ady madinika mandrakariva no
nisy. Andrianampoinimerina no mpanjaka anisan’ny nahavita nanambatra faritra
maro indrindra talohan’ny nitsanganan’ny tena foloalindahy tamin’ny andron-dRadama
Rainy. Ary izy no nanomboka namitra-pihavanana tamin’ny vahiny dia ireo
Sakalava, Arabo Anakara … fa raha dinihana kosa ny momba ireo Ntaolo ireo araka
ny lovan-tsofina dia azo lazaina fa azo itarafana ny fahendrena nananany ny
kolo-tsaina napetrany na tamin’ny alalan’ny Fomba amam-panao, sy ny Hira, ny
anganom-baviantitra sy ny arira ary koa ny ankamantatra, ny ohabolana dia izay
fototry ny nitaizany ny zanany.

Ny fiarahamonina fahizay dia nisy sata nifehy azy fa tsy hoe velombelom-poana
tsy akory ireo olona ireo. Nisy ny andalan-tohatra mandrindra ny fiaraha-monina
ary fehezin’ny didy sy lalana izany. Ny fihavanana no sata mifehy izany
fiarahamonina izany, na fototry ny sata ijoroany. Tao anatin’ny antanantohatra
dia voazara mazava ny toeran’ny tsirairay :

NY ANDRIANANAHARY na ZANAHARY
NY RAZANA
NY RAY AMAN-DRENY (azo sokajiana toy ny ray aman-dreny ny Andriana mifehy ny
ambanilanitra)
NY VAHOAKA

Nino ny Zanahary tokana ny Malagasy, dia izay nahary tongotra aman-tanana azy,
natahorany indrindra ary antsoiny isaky ny misy fotoana fankalazana. Inoany koa
fa izy no masina indrindra;

Manaraka izany dia ireo lasa-ko razana ka nampialohavany ny teny hoe
Itompokolahy na Itompokovavy ho mari-panajana azy. Natahorana ny razana sady
ninoana koa fa mitahy.

Ny ray amandreny nololohavina an-tampon’ny loha to teny ary ekena fa Hendry.

Tao anatin’izany fiarahamonina izany araka izay efa voalaza dia misy ny
sata mifehy ka ny fihavanana no mamaritra izany dina nifanaovana izany.
Mifankatiava ry velona, fa tsy ho tratry ny hafa tsy akory fa ny hafa
manody…mbola hiverenantsika ny hira sy ohabolana mitanisa izany fihavanana
izany fa ny azo amintinana azy dia izany fihavanana izany no mamaritra ny
fitondran-tena ka naha lavorary ny fiaraha monina sy maha olom-banona ny
vahoaka ao anatiny. Ka na vola na harena dia tsy natakalony izany fihavanana
izany. Toy ny hoe “aleo very tsikalakalam-bola
toy izay very tsikalakalam’pihavanana
”. Ny fifankatiavana no fomba entina
manamafy fatorana izany fihavanana izany ka averimberiny matetika no tsy afaka
eo am-bavany : “Vary raraka an-keniheny,
ka ombay mitsimpona, ombay mitady”
; “fa
na in-telo misandratra aza ny avoko, ka in-telo tsinana ny alahamady, ny fitia
aza mba atao lany fa mifandimbiasa fitia : ny ray ho tia zanaka, ary ny zanaka
ho tia ray ; fa ny fitia mifamaly no mahatsara fihavanana”.

Ilay olombelona miaina ao anaty fiaraha monina dia Fanahy. Izy no fanahy. “Ny fanahy no olona” : tsy mitsahatra ny
fisiany aorian’ny fahafatesana fa mitohy. Ary ny fahatratrarana izany dingana
izany dia mampitovy lenta azy amin’ny Zanahary. Natahorany fatratra izany very
fanahy mbola velona izany, na koa hoe maty fanahy. Misy fepetra arahina mba tsy
ahavery izany fanahy izany dia ny Fanajana ny Zanahary – Fanajana ny Razana
(betsaka ireo fomba fanao anehoana izany fanajana ny razana izany toy ny
famadihana na ny fikarakarana azy raha mbola am-bohitra akory aza ny razana)
Fanajana ny Ray amandreny – Fanajana ny fihavanana…

Ny tambin’ny fahaverezan’ny Fanahy dia ny henatra, ny hena-maso , ny tsiny , ny
tody, ny ozona. Tsy zaka zakaina samy olona ary mavesatra indrindra ka nataony
ho tena zava-doza nandosirana raha mbola velon’aina koa. Ahafahana misorona
izany fahaverezan’ny fanahy izany dia nisy ny fomba fanao sy ny tsy fanao, ny
fady mba hitaizana ny zanaka sy ny taranaka. Ny lainga, ny halatra no zava-dratsy
indrindra tsy neken’ny fiarahamonina tamin’ny fahagasy. Satria ny olona manao
izany dia RATSY FANAHY ary izany faharatsiana izany dia tsy nekena mihintsy
satria manakorotana sy mandrava ny fihavanana izay efa napetraka fa sata
ijoroan’ny fiarahamonina.
Ny lainga : “ny lainga no toy ny
volokotona, mamahatra ambany rano ka mora tapaka : toy ny ravim-bero, maitso
faniry fa mora malazo : ary toy ny vary aloha , mahafa-po fa tsy mahavita
taona. Tsy misy maty nataoko, fa ny fanorona no maty natoko : tsy misy maty
miverina, fa ny masoandro no maty miverina ; sarin-dainga no nahatonga izany.
Koa ampindramo fangady aho hiadiako lavaka mandifotra olona amin’ny tany tsy
maniry vary mba handevenako ny lainga. Fa ireny no tsy mampitafy ririnina, ary
mampandry fotsy fahavaratra : ireny no miteraka ny fitsora-tsy ahazahoana, ary
ny fisamboran-tsy misy. Ka ario lahy ny lainga ! “

Ny ray amandreny no manananatra sy notoavina satria izy no nahatahiry ny
fahendrena matoa ela velona – fotsy volo amin’ny tany – ny fahanterana dia
sitraka, takalon’ny fahaiza-miaina, tsy ny olona rehetra no misantatra izany fa
izay Hendry eo amin’ny fiarahamonina ka nohajaina fatratra izy ireo.

Adala ny miavona Hoy ny ray aman-dreny : “ Iza
izao Andriamingodanamanavona izao, ka miady izay tsy ho tia ray aman-dreny
aloha ? Izaho ity, hoy ilay zaza miavona. Iza no anaranao ?
Ratsimangataka, Ratsimanantena”
“Raha ianao no Ratsimangataka, Ratsimanantena, izahay kosa no Ratsimanery,
Ratsifanerena, fa ny kibo tsy tia tsy asesika ary ny fo afaka tsy ananan-tsiny.
Koa raha ianareo zanaka aza malain-kanana anay, izahay ray aman-dreny hanana
anareo kosa tsy mazoto. Fa raha zaza ariana indray no manary, dia ranovola
mangidy no tsara.”
Vokatr’izany zon’ny ray aman-dreny ny manary ny zanany ary fomba nahazatra
teo amin’ny fiaraha monina izany.

Nirindra tsara ny fiaraha monina fahizay. Satria samy manaja ny
ambaratonga-pitantanana ary samy natahotra ny ho very fanahy. Na tsy koa tsy te hizaka ny tsiny sy ny tody
ary ny ozona. Ny tso-drano zava mahery ka tsy sahy manao zavatra izy raha tsy
nandray tso-drano tamin’ireo ray aman-dreny. “E ! Andriamanitra ! E Andriananahary ! E ! ray razana tontolo eny ! Tonga eto izahay mianakavy mandady tongotra aman-tanana, mitanty tanan-droa,
mangataka ny soa , mangataka ny tsara ; ka tahio andro tahio alina, mba tsy
hisy ambaka, fa hisy tongilana, ho tratra antitra, hiara-miroandroana sy
miriaria amin’itony tany onenanana itony ; ary mba tsy ho ratsy olona ila anie,
fa ho tsara mpitaiza. !”

BEA