'Ny Rariny sy ny Tsihiny'

 

Hanomboka anio 24 septambra ny fampirantiana miompana indrindra momba ny rarin-tsihy ka nomena ny lohateny hoe "Ny Rariny sy ny Tsihiny". Etsy amin'ny "Antshow Madagasikara" (Làlana Ramilijaona, Androndra - Antananarivo) no anaovana azy ary haharitra hatramin’ny 24 desambra 2016 amin’ny vidim-pidirana 1000 Ar.

Tolorana fankasitrahana etoana ny tompo-kevitra sy tompon'andraikitra voalohany amin'ny fananterahana azy ity, i Hanitrarivo Rasoanaivo, nahafoy fotoana namaly ireo fanontaniana vitsivitsy napetraka taminy. Ary manentana antsika hitsidika izany fa mahaliana tokoa araka ity resadresaka nifanaovana ity : fanomezan-danja ny hai-taontsika malagasy sady fitsinjovana ny tontolo iainana.

 

- Inona, Hanitra, no nanosika anao hanao ity hetsika ity ?

1- Izaho dia tia mikajy ny tontolo iainana ary manao fikarohana foana amin'ny antony mahasimba azy ! Tia zavaboahary

2 - Izaho dia mpanakanto mpamorona ka ny zavatra rehetra mahatonga ny aingam-panahiko dia ataoko hatramin'ny farany : mamorona, mikaroka, mamorona. Misy asa famoronana maro ataoko efa miparitaka eran'izao tontolo izao, saingy ny mozika-na sarimihetsika ihany no tena ahafantaran'ny besinimaro ahy satria iny no mandeha amin'ny haino aman-jery.

3 - Nisy fiofanana mahakasika ny fitantanana Tranom-bakoka izay natrehako teto Antananarivo, nataon'ny mpikambana ao amin'ny “The Smithsonian Institute” any Washitong DC ary nahazo ny taratasy fanamarinana ny fandraisan'anjarako tamin'izany aho. Nandritra io fiofanana io dia tonga nijery ny asako, ny mozikako, ny zavamanenoko ary ny asa-tànako rehetra tato an-trano rizareo ary dia nomeny antontan-taratasy vitsivitsy izay aho nisy tantara kely izay tena mbola manitikitika ny sain'ireo olona ireo.
Antontan-tartasy misy tantaran'ingahy William Louis Abbott izy io, izay olona nanome ny ankabeazan'ny tahiriny rehetra ao amin'ny Tranombakokany ho an’ny The Smithsonian Institute. Tao anatin'izany dia nisy asa rary, tena soa, tena tsara ary tena mahavariana avy taty Madagasikara. Mbola ao amin'ny tranombakoka hono izy io mandrak'ankehitriny kanefa efa nangonina tany amin'ny 1890 tany ho any.

 
- Ankoatra ireo tahiry ireo ve dia misy ihany koa rary tsihy ankehitriny aseho ao ?

Mety ahasorena ny mpitady vola ity kanefa dia ho ataoko ihany satria fianarana ny fiainana. Eny misy rary tsihy ankehitriny mihitsy ao saingy tena samy hafa amin'ny fomba nandrariana taloha. Ataoko eo akaiky eo ny harona mafy kely sady tsara voatra mahazaka be sady maharitra, dia ataoko eo ireny fahita ankehitriny miondrana amin'ny fiarabe mpitatitr’entana any an-dafy ireny sy ireo hita amidy eny an-tsena rehetra ireo. Avelako hijery sy hisafidy ny olona raha hividy fa ny vidiny dia tsy mifankaiza kanefa dia tena samy hafa.
Ka ny tiako ahatongavana dia ity : potika ny tontolo iainana raha toa ka harona mora simba ihany no vidiana fa mividiana harona sy tsihy maharitra ! Nifanamby izahay sy ny mpandrary rehetra miara-miasa amiko fa 7 taona vao manolo tsihy raha atao amin'ilay fomba hanaovanay azy ! Tsihy ampiasaina isan'andro any ambanivohitra io resahiko io.

- Hafiriana no nanomananareo azy ity ?

Tanatin’ny 3 volana tsy miato izahay dia mianatra, mitady fitaovana, mitady olona tena mahay mandrary ; mianatra, mandiso, mamerina, mamotika, mamerina mandrary indray.

- Mpanao asa-tànana efa matihanina ve ireo hampiranty ?

Izahay dia misy matihanina, misy mbola tsy tena mahay saingy fahalalana no ho voizina ao anatin'ny fampirantiana. Ho an'izay tia tontolo iainana sy tia zavaboahary ary tia asa tsara voatra izany, mazava ho azy.

- Varotra fampisehoana ve ilay izy sa misy fianarana mandrary sy fampiharana ihany koa ?

Natao fanahy iniana mihitsy ny hoe fampisehoana ilay izy kanefa afaka mividy na manafatra ny olona satria izay ilainao no tokony ho vidianao fa tsy izay atolotra anao fotsiny. Mbola hisy atri-kasa fampiharana fa amin'ny fotoana manaraka satria vao manomboka izahay ary vao 2 amin'ireo Tahirin’ i William Louis Abbott no vita ao fa ny teknika kosa dia efa nampiharina amin'ny zavatra hafa maro.

- Natao hanohanana ireo mpandrary sy mpanao io asa-tànana io ve no tanjona sa ho fampahafantarana fotsiny tokoa ?

Angamba kosa ny ministera no mpanohana ny mpanao asa-tanana fa ny ahy dia asan'ny mpanakanto kah.

Santionan-tsary azonao jerena :  Pejin'ny "Antshow Madagascar ao amin'ny facebook"