Ny reny sy ny zanaka lahy teo aloha lasa ray sy zanaka vavy ankehitriny.

Mety tsy hampino ny tantaran'izy mianaka : i Erica, ilay reny teo aloha nivadika ho lehilahy ary i Corey ilay zanakalahy niova ho vehivavy.

Any Detroit, Michigan no monina i Erica sy Corey Maison. Hatry ny fahakeliny hoy ny reniny no tsapako fa vavivavy fihetsika i Corey, tia nanao zipo sy akanjo izy tao an-trano na dia manao akanjon-dehilahy aza rehefa imasom-bahoaka. Noho io toetrany vavikely io rahateo no nanaovan'ny namany ankasoparana azy foana tany am-pianarana ka nahatonga azy nandao sekoly. Nanohana azy hatrany anefa reniny ka nanosika azy hiroso amin'ny fiovana. Tanteraka izany amin'izao faha-15 taonany izao.

Nandritra izany fotoana izany ihany koa anefa no nahata-pakevitra an'i Erica hiova ka Eric no anarana entiny ankehitriny. Na izany aza dia tsy manana fikasana hisaram-panambadiana izy. Ingahy vadiny rahateo nilaza fa "olombelona, vehivavy tsara ao anaty sy tsara ety ivelany no nahababo azy".