Ny rongony sy ny fiaraha-monina Malagasy

Ny rongony
sy ny fiaraha-monina Malagasy

Olana
mikiky ny fiaraha-monina maneran-tany ny rongony. Tsy ho an’ny
fiaraha-monina
Malagasy irery, ary tsy anavahana sokajin-taona ny fanjifana azy, fa na
lehibe
na tanora dia roboka amin’izy ity daholo. Mirongatra ny "drogue" eo
amin’ny
adolantsento eto Madagasikara.

Raha ny
filazan’ireo mpandinika ny fiarahamonina dia ny filana tsy feno, na
faniriana
tsy tanteraka no manosika ny olona iray hirona any amin’ny
zava-mahadomelina.
Miankina amin’ny olona tsirairay ny firotsahany amin’ny sehatry ny
zava-mahadomelina fa tsy dia, noho ny toe-batan’ny olona tsirairay mitaky
fahafaham-po (izay heverin’ny tsirairay ho fahafaham-po) arakaraky ny
ataony
hoe fahafinaretana (désir , plaisir et aspiration). Ka rehefa tsy mahita
an’izay eo anivon’ny fiarahamonina izy (voalohany amin’izany ny ao
an-tokantranony) dia mitady tontolo hafa mihitsy, ka ny rongony (drogue)
no
heveriny fa hitondra azy amin’izany tontolo izany.

Ny olana
amin’ny "drogue" anefa dia ny fiankinan-doha, ka rehefa tafiditra ao dia
saro-miala. Matoa ny olona iray tafiditra ao amin’ny sehatry ny
tontolon’ny
rongony dia ny fiaraha-monina no manome vahana an’izay
(Korontan-dava
ny ao an-trano ohatra, na voabedibedy lava rehefa mba misy zavatra
heverina fa
tiana hatao nefa tsy mahazo rariny, sns…), ka ny fiarahamonina mihitsy
izany no
mila amboarina sy tsaboina raha tiana ny hitsabo olona iray hiala
amin’ny rongony.

Nolazain’ny
Dokotera Ramahatandry Mamison (Hopitaly Ambohibao) fa hallucinogène, na
taharo
mampanonofinofy ny rongony, manimba ny tena (ara-batana: tosi-drà,
aretin-tratra, sns…) sy fikorontanana ara-tsaina, psychique (agitation,
excitation
, masiatsiaka sy mamono) izany hoe
marary saina.  Mamono sy manimba ny tena
ny rongony noho ilay poizina tetracanabinol ao anatiny. Fa tsy araka ny
filazan’ireo efa tsy afa-miala aminy hoe tsy misy fiantraikany eo
amin’ny
toe-pahasalamany.

Tsy
nafenin’ireo proviseurs avy amin’ny Lisea (lyçée)  lehibe
eto Antananarivo (LMA – Ampefiloha sy
Rabearivelo) fa tsy zava-baovao eo amin’ny tontolon’ny
fampianaram-panjakana
intsony ny resaka rongony ary ireo mpivarotra tsy ara-dalana manodidina
ny
toeram-pianarana no tena arofanina sy toy ny varavarana idiran’izy ireny
eny
anivon’ny mpianatry ny Lisea (lyçée). Rabarijaona Claudie, proviseur
Lisea
Rabearivelo, ohatra dia nilaza fa manampy trotraka an’izany ny
fisian’ireo
elakelan-trano maro ao Ambodifilkao sy ny mpivarotra manamorona ny lisea.

Voasazin’ny
lalàna 97039 ny famokarana, fitsinjarana, fanjifana ary izay rehetra
mahakasika
ny rongony eto Madagasikara.  Mahavoasazy
toy ny fandoavana lamandy na fampidirana am-ponja mihitsy. Misy foana
anefa ny
mamboly ary minia manao izany ihany ny olona na dia efa voararan’ny
lalana aza
izany.

Ady goavana
sy mafy araka izany no miandry ireo sampana velona eny anivon’ny
fiaraha-monina
miezaka manentana ny tsirairay hiala amin’izany, toy ny Vokovoko Manga
izay
manentana ny olona hiditra ao  (tsy
an-kanavaka,) ka rehefa tonga ao vao avahana hoe ireto mpitaiza, ireto
tezaina
ary ireto omanina sahady ho mpitaiza hiady amin’ny fidorohana
zava-mahadomelina. Ny tanjona amin’izany dia ny hanampy ilay olona
voageja fa
tsy ny hanosika azy akory.

Maro ny
tetika entin’ny tsirairay miatrika ny fipariahan’ny rongony sy ny
fidorohana
azy. Isan’ireny ny fiaraha-miasan’ny FRAM (Fikambanan’ny
Raimanadrenin’ny
Mpianatra) sy ny sekoly toy izay nisy tao amin’ny Lisea Rabearivelo
nanomboka
ny taona 2005 ka niarahan’izy ireo niasa tamin’ireo dokotera avy amin’ny  SALFA Ambohibao ho fanentanana, miampy ny avy
amin’ny Ministera ary ny Tribonaly. Raha nahitàna fahombiazana izany ny
taona  2005/2006/2007/2008) dia tsy afaka
nanoatra kosa ny sekoly ny 2009 noho ny krizy.

Ho an-dry
zareo ao amin’ny LMA kosa indray dia 
fisavana hentitra eo ambavahady sy ny fananganana club no
vahaolana
noraisina. Misy mantsy ny misandoka ho mpianatra ka mitady hiditra ao
anaty
faritry ny sekoly. Omena sazy ny ankizy tratra mifoka an’izay
zava-mahadomelina
izay. Noroahana avy hatrany mba tsy ho fakan-tahaka ratsy ho an’ny
namany.  Taritina ny ankizy hanao
fanatanjahantena,
danse, sns…

Iraisan’ny
rehetra anefa ny filazana fa tsy vahaolana velively ny fanasaziana avy
hatrany
fa ny fifampiresahana aloha no omena toerana.

Fantarina
aloha ny antony rehefa misy mpianatra misy fofom-pofona. Misy ny mety hoe
mpianatra avy nankalaza vanim-potoana manokana tany anivon’ny ankohonana
tany no
mbola heno any na-tsekoly ny fofona, ary mety zavatra mahazatra sy
fanaon’ny
ankohonany sy tsy miafina amin’ny raiamandreniny izany. Ampanantsoina
aloha izy
resahana sy atao fanadihadiana.

Vahaolana
foana ny fifanantonan’ny raiamandreny sy ny mpanabe. Ary efa tsy afa-po
amin’ny
fitaizana izay vao manasazy. Sokajin-tanora tsy ampy fanabeazana any
an-tokantrano no tena tratran’io fidorohana zava-mahadomelina io.

Omeo
fahafaham-po amin’izay zavatra tiany hatao ny zaza dia tsy hirona any
amin’ny
rongony. Mitovy mihitsy ny diso mahantra loatra sy ny diso manan-karena
loatra,
fa samy mirona any amin’ny rongony, saingy bebe kokoa ny vokatry ny
tosiky ny
fahantrana.

Misy lalàna
miaro ny manodidina ny sekoly hoy ny Proviseur Lisea Rabearivelo:. Raha
oharina
amin’ny rehetra eto An-drenivohitra dia be tabataba ny manodidina ity
Lisea iray
ity nefa dia efa nangatahana ny sisin-dalana 60 m manoloana ny sekoly mba
tsy
hivarotana. Isan’ny olana be ny fisian’ireo mpivarotra sy mpividy
volamena
manodidiana ny fefin’ny sekoly satria mitondra fakam-panahy ho an’ireo
ankizy
mpianatra ka mahatonga azy ireny hangalangalatra kely any an-tokantrano
any.
Ankoatra izay dia tsy misy filaminana ho an’ny mpianatra, indrindra fa
manomboka amin’ny 3 ora sy sasany hariva eo, rehefa mirotsaka ireo
mpivarotra amoron-dàlana sy ny fahasorenan'ny mpamily noho ny làlana
tery, ka dia mampaneno fanairana isaky ny tsy faly izy ireny.

Avilavitra