Ny vary, sakafon’ny tany mahantra : tsy aingitraingitra fa tohan’aina

Mamahana ny antsasa-manilan’ny mponina eto ambonin’ny tany ny vary. Tsy mbola misy aloha hatramin’izao sakafo hafa maharesy izany fahefany mamahana ny antsasa-manilan’izao tontolo izao izany. Ny vary ihany koa no tena mamahana ny olona sahirana aram-pivelomana be indrindra. Tsy ho isan’ireo sakafo aingitraingitra mihintsy akory ny vary satria ny 70% n’ny sahirana eran-tany dia velominy avokoa. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fandrosoan’ny firenena mpamokatra vary be indrindra koa ny fitahirizana sy ny fanondranana ny vary. Ny faritra Asia no tena mpamoka-bary be indrindra, mpanondrana vary be indrindra, ary mpihinam-bary be indrindra (92% amin’ny vary lany eran-tany dia lanin-dry zareo ireo avokoa). Raha 397 800 taonina (marihina fa salan’isa en milliers de tonnes ao anatin’ny telo taona 1998-2000 daholo ny tarehi-marika voasoratra) ny vokatra eran-tany tamin’ny taona 1998-2000 dia ny 363 100 taonina dia vokarina any Asia avokoa. Tamin’ny taona 1998-2000, i Inde dia mamokatra 87 30 taonina, i Indonesia namokatra 33 700 taonina, Bangladesy namokatra 22 600 taonina. Ireo no firenena mpamokatra vary be indrindra. Fa i Thaïlande kosa no manana amby tsy lany be indrindra satria manana vokatra 170% (16 100 taonina ny voka-bariny kanefa 9540 taonina no laniny ; ny ambiny aondrana). Izany hoe afaka mamelona ny vahoaka ao aminy ara-dalana (100%) ary mbola afaka manondrana (70%) n’ny voka-bary sisa tsy laniny.

Isan-taona dia misy vava homana 50 tapitrisa teraka tsy maintsy hihinam-bary any Asia. I Asia Andrefana irery fotsiny, araka ny voalaza dia mitahiry ny antsasaky ny mahantra eran-tany. Marihina ihany koa anefa fa 200 tapitrisa isan’andro ny Indiana mandry fotsy ; kanefa i Inde dia afaka manondrana 2 ka hatramin’ny 4 tapitrisa taonina isan-taona ary manana ambimbava (stock) 25 tapitrisa taonina izay in-3 lavitry ny ambimbava ilainy.

I Madagasikara kosa dia mamokatra 1642 taonina, tamin’io telo taona io ihany, ary nihinana 1763 taonina. Izany hoe afaka namatsy ny 93% n’ny filàn’ny vahoaka malagasy, saingy tsy tokony ho afa-nanondrana na iray kapoaka aza. Marihina ihany sao dia mbola tsy fantantsika fa teto Madagasikara no nanombohana ny fambolem-bary malaza izao antsoina hoe : ketsa valo andro. Kanefa firy isan-jaton’ny mpamboly malagasy no mampiasa sy mahafehy izany ? Ny S.R.I dia fambolem-bary hita tampotampoka sy tsy nampoizina. I Père Henri de Laulanié (1920-1995) no nahita azy niaraka tamina manam-pahaizana japoney M. Katayama tany ho any amin’ny taona 90 tany.

Ireo fitrangan-javatra manoloana ny famokarana sy ny fihinanam-bary rehetra ireo anefa dia misedra olana maromaro ankehitriny. Ankoatry ny fitombon’ny vava homana dia miha-tery ny tany volena, miha-vitsy ny sandry miasa, miha kely ny rano azo anondrahana, ary mila zezika betsaka vao mamokatra araka ny tokony ho izy. Ny tena olana manahirana ny saina dia ny fahalalana fa ny masinina enti-mamboly sy mamokatra ny vary dia tsy tonga any alin’ny firenena tena mpamokatra azy fa tazonin’ireo firenena matanjaka sy indostrialy any aliny fotsiny.

Na izany na tsy izany dia tsorina fa ny firenena mpamokatra vary rehetra voalaza ery ambony dia mbola mitàna ny fomba fambolena nentin-drazana avokoa. Eny fa na dia efa misy ihany aza ny teknika moderina mora fehezina ary mamokatra be. Azo anaporofoana izany ny fomban’ny japoney izay firenena tena indostrialy mihintsy, ary mpamokatra fiara Toyota, sy ny marika Honda eo amin’ny moto. Fantatrao moa ny dikan’ny hoe Toyota ? ary ny Honda ? Tsotra satria nalaina avy amin’ny fitiavam-bary daholo : Toyota : « belle rizière » na « tanimbary mahafatifaty » et  Honda « rizière principale » na « tanimbary be ». Mahavariana !

Raha te hanampy fahalalana momba ny vary sy ny toerany eto amin’izao tontolo izao ianao dia vakio ny boky nosoratan’i Guy Trébuil sy Mahabub Hossain (samy manam-pahaizana momba ny vary) mitondra ny lohateny hoe : « Le riz, enjeux écologiques et économiques », édition Belin, 2004. Azonao vakiana koa ny « Le riz à Madagascar, un développement en dialogue avec les paysans » nosoratan’i Henri de Laulanié s.j, Karthala, 2003.

Mpandalina.