Ny zava-maniry malagasy tsy mety atao fanafody

Mety
hahatezitra ny fikambanan’ny Malagasy mitsabo amin’ny alalan’ny
zava-maniry ity lahatsoratra ity. Tsy maninona izany fa ny tanjona eto
dia tsy ny hanimbana ny asanareo fa ny hanatsarana azy. Lasa ihany ny
eritreritra rehefa maheno amin’ny radio sy mahita amin’ny fahitalavitra
eto Madagasikara ny fanentanana ataon’ny olona ny momba ny fanafody
manasitrana. Marina ary tsy azo lavina fa manana hery manasitrana ny
zavamaniry sasany. Ekena fa manala aretina na manamaivana izay maharary
 ny zavamaniry hafa. Kanefa aoka kosa tsy holazaina fa mety amin’ny
fotoana rehetra sy amin’ny olona rehetra izy ireny. Sao manko isika
sodokan’ny hoe fanafody natoraly ireny ka tsy atahorana ny vokany.
Jereontsika tsara tokoa anie fa na ireny fanafody vita vazaha ireny aza
anie dia mamaritra fa misy lanjany sy fetrany ny fanafody omena ny
tsirairay. Toy izany koa ireny fanafody vita amin’ny zavamaniry ireny.
Manahirana ny sofina mihintsy isan’andro no mandre amin’ny radio sy
fahitalavitra fa mahasitrana ny fisotroana tambavy toy izao na toy izao.
Raisiko ohatra ilay antsointsika hoe 150 maladies na ny Nimo hoy ny avy
any atsimo. Ho an’ny tsy mahalala dia karazana voandelaka izy io. Ny
olona dia milaza fa raha misotro ranona ravi-nimo 7 tsy ampangotrahina
fa ajoboka fotsiny dia fanafody « goutte » izay ; raha misotro rano-nimo
ka ravina 14 na ny mohoatra dia fanafodin-javatra hafa indray. Kanefa
ny ankizy vavy any atsimo rehefa hanala zaza dia misotro nimo ihany koa
fa ny dôziny no tsy fantatra mazava. Hatraiza no porofo siantifika
hahafahanao milaza sy manamarina fa tena izany tokoa no asan’ny nimo.
Ekeko fa mety sitrany ianao tamin’io nanandrana izany. Tadidio anefa fa
tsy mitovy ianao sy ny hafa na ny taona, na ny lanja, na ny tanjaka sy
ny sisa. Noho izany tsy afaka milaza na iza na iza fa mari-pototra ny
vokatra. Izaho izay manoratra ohatra dia manana traikefa manokana. 16
taona aho tamin’izay, narary andoha be tena tsy laitra zakaina. Nifoka
ravin-draozy maina aho natao sigara fa po tahak’izay dia nanjavona ny
aretina. Fa tsoriko amintsika fa mbola tsy nisy olona namporisiako
hifoka raozy maina rehefa maharary andoha. Satria fantatro fa ny fepetra
rehetra nahasitrana ahy tamin’izany fotoana izay dia tsy hitovy
mihintsy amin’ny fepetra misy ny tsirairay. Te hanentana antsika mpamaky
aho mba hampita amin’ny maro fa hoe mila mitandrina foana rehefa
fanafody atao am-bava sy atelina fa ny aina tsy hananam-piry. Ohatra
niainana faharoa, zandrikely mpisotro tambavy, ireny hoe katrafay sy
ravintsara sy ny namany ireny. Ity zandry ity dia maty lany rà, maina ny
vatany manontolo noho ny tambavy tsy fatatra fatra. Manahirana ihany
satria ny zavatra natao hitazon’aina no nanala azy. Tsara  ny miezaka
mitsabo fa tsy mety ny mitsabotsabo tena fahatany. Aoka mba handinika
aloha vao hitelina izao rehetra izao satria tsy adala ny olona manao
fanandramana. Kanefa ny fanandramana dia mila olona an’hetsiny vao azo
atao hoe mahomby. Iza amintsika mampita hafatra amin’ny radio sy
fahitalavitra ireo tokoa moa no efa nanao andrana mahatratra izany ? Ary
aoka samy hitandrina fa sao manaonao foana.

‘Najaris