Pìmaso ho an'i Ferdinand Monoyer anio 9 mey, fitsingerenan'ny andro nahatarehany.

 

Mety tsy hanaitra satria tsy mbola rentsika hoe iza i Ferdinand Monoyer kanefa dia maso maro no efa nosedraina tamin'ny fitaovana noforoniny. Mitsingerina anio manko ny faha181 taonan'ny andro nahaterahany ka mba ho fanampim-pahalalana no iresahana azy eto.

Mpitsabo maso frantsay izy, ary izy no namorona ilay takelaka misy alfabeta misy habeny maromaro, fandrefesana ny fahitana. Io maridrefy io dia mitondra ny anarany : maridrefy Monoyer. Fony vao nanomboka nahay namaky teny dia isan'ny fitiliana natao tany am-pianarana ireny ny refi-maso rehefa hizaha ny toe-pahasalaman'ny mpianatra ka mety misy hanontany hoe inona no mahazava-baovao an'izany. 

Misy karazany roa ny fandrefesana : raha eo amin'ny 3 metatra ny halavirana jerena dia miafara amin'ireo litera XNV ilay takelaka. Raha any amin'ny 5 metatra kosa dia miafara amin'ny litera ZU ny lehibe indrindra ery ambany. Ny tanjona moa dia ny hampamakiana ireo litera lehibe indrindra aloha amin'ireo olona mizaha maso. Dia ampakarina miandalana amin'ireo litera izay mihakely hatrany hijerena hoe hatraiza ny haben'ny litera hitany. 

Ny tsy haintsika kosa dia hoe misy sonian'ingahy Monoyer ihany ilay takelaka ho an'ny 5 metatra. Rehefa vakiana avy any ambany mankany ambony manko ireo litera farany amin'ny sisiny roa dia manome ny anarany hoe Ferdinand etsy ankavanana ary Monoyer sy hoe DM izay midika hoe "Docteur en Médecine" etsy ankavia.

Taty aoriana moa dia misy ireo mampiasa takelaka misy isa na kisarisary hanamora ny fitiliana eo amin'ny zaza.

Tandremo anefa mangalatra rehefa mizaha maso manomboka androany fa ianao ihany no ifoterany raha omen'ny dokotera solomaso tsy mifandraika amin'ny fahitanao. Satria raha tadidinao hoe "dm" sy "nd" fiafaran'ny Ferdinand ireo litera bitika indrindra ery ambony dia hanao tsianjery fotsiny ianao.