Rabaza, reharehan'ny Faritra Anosy.

 

Iza tokoa no tsy hitsinjaka raha vao mahare an'i "bal sisa aminazy"​, isan'ny nahalalana ny tarika Rabaza, zanaky ny Faritra Anôsy ! Matetika aza dia adinontsika aza fa Mifagneva no tena lohatenin'izy io.

Tarika mivoy ny gadon'iny faritra atsimo izy toy ny mangaliba, kahetraky, karitaky, sarandra. Tsy eo amin'ny bàn-kira fotsiny no imasoan'izy ireo asandratra amin'ny mozikany fa hatramin'ny zava-maneno (hazolahy, belamaky, langoro, sns) sy ny fitafy  ary ny fomba am-panao nentim-paharazana avy any Anôsy, Faradofay sy ny manodidina. 

Efa maro ihany ny làlana vitan'ny tarika nanomboka tamin'ny niforonany, ny volana oktobra 2006 ka hatramizao. Ankoatra ny fitetezana an'i Madagasikara, sy ireo Festival isan-karazany toy ny Donia, Angaredona, Somaroho, sns, dia efa nitondra ny fanevan'i Madagasikara teny amin'ny sehatra iraisam-pirenena koa izy ireo ; anisan'izany ny Festival Milatsika 2012 tany Mayotte, Festival Fetibe 2009 tao La Réunion. 

I Christo Benny na Rabaza no filohan'ny tarika ary miaraka aminy ao i Joseph, Gilbert, Dinot, Daddy ary izy mirahavavay mpandihy. Ny anarana hoe Rabaza moa dia fomba fiantson'ny samy mpinamana any amin'ny foko Antesaka sy iny faritr'Anôsy iny.

Raha hifandray aminy : Facebook RABAZA

 

 

 

 

 

Rondro Volantsoa