Raozigasy

Raozigasy no
solon’anarana nofinidin’i Haja Lalaina entiny hamoahana sy hizarana ireo
vetsovetsony.

Raozigasy satria
tambatr’ilay Raozy vonikazom-pitiavana sy ilay Gasy manamarika ny fihaviana.

Raozy : lokon’ny
fitiavana ; entina mizara ny hotrakotraky ny fo raha faly, entina mampitony ny
jalim-po anaty raha malahelo, voninkazon’ny embona sy ny vetsovetso,

Gasy : lokon’ny
fihaviana; entina mirehareha amin’ny kolo-tsainy manan-karena, entina iavahana amin’ny
kantony tsy hita noanoa, taratry ny raitra sy ny lafatra malagasy rehetra.

Raozigasy dia
filazana ihany koa ilay raozidia miavaka sy manimba ny tontolon’ny raozy tsotra
rehetra , miavaka i Raozigasy satria miezaka mampiely patrana ny kanto malagasy
manerana izao tontolo izao ary manabe voho hatrany ny tenin-drazany.

Raozigasy sy ny
Tononkalo Malagasy dia "lamban’akoho ka aina no fetra".

“Tononkalo
Malagasy”

Ianao ry
tononkalo, no namako sy arofaninko
Ianao ry soratsoratro, no fefy miaro ireo vinaniko
Ianao ry diam-peniko, no lalam-piainana alehako
Ianao ry teny mamiko, no tabiha sy reharehako

Ianao ry teny malagasiko, no fizarako ny hetaheta
Ianao ry teny kanto indrindra, no nahatonga ahy ho poeta
Ianao ry teny izay tsy foiko, no fizarako irony vetsoko
Ianao ry teny tonga lafatra, no hitantarako izato sentoko

Ianao ry teny nolovaiko, no tena tenin-dreharehako
Ianao ry teny holazaiko, no anambarako ny firehako
Ianao ry teny   manan-jina, no manasina ny vavako
Ianao ry teny feno haja , no mamatotra ahy sy ny havako

Koa ny toky omeko anao, ry tononkaloko ry teniko
Ny voady ataoko aminao, ry kanto lova avy amin-dreniko
Dia matokia hatrany ianao, raha mbola tany koa ny tany,
Fa tokana ny Teny tiako, ilay Teny Malagasy izany

Tsindrio eto raha te hamaky ireo tononkalony rehetra

Manam-pikasana ny hamoaka ny bokiny voalohany mitondra ny loha-teny hoe TIA i Raozigasy. Efa vita ny vakiraoka fa miandry ny tranom-pirinty sisa.

Koa efa azo atao sahady ny mamandrika izany amin'i haja@serasera.org