'Selfie' valifaty ho an'ilay olon-tiana tratrany natory niaraka tamin'ny olon-kafa tao an-tranony.

 

Tao Emory, Texas ity tantara. Niaiky an’i Duston Holloway daholo ihany ny mpiseran’ny aterineto fa voafehiny ny hatezerany raha nody tao an-trano izy no nahita olon-kafa niaraka natory tamin’ny olon-tiany.

 

Tsy nitabataba na nampiasa herisetra izy fa nitsaitsaika moramora naka sary ireto olona resin-tory ary nasiany selfie mihitsy koa dia nozarainy tao amin’ny facebook-ny ka nasiany soratra hoe “Rehefa mody ianao ka mahita olon-kafa anaty fandriananao miaraka amin’ny olon-tianao. Ny lehilahy mendrika dia mila vehivavy mendrika” .

 

Misy ireo nivazivazy nanontany azy raha nofohaziny ireto olona fa hoy izy hoe “tsia, naka selfie anay mangingina aho dia lasa nandeha otran’ny sefo be, lol. Tsy notairiko izy (rakalakely) fa izy aza efa mamo be tsy nahatsiaro tena akory.”

 

Maro ny nanoratra ho azy nony avy teo, nidera sy nanohana azy tamin’ny fihetsiny nahay niala tsy nisy gidragidra, tsy nisy herisetra. “Marina, hoy i Duston, fa nitresaka ny foko, nirodana tambony lohako izao tontolo izao, saingy tsy tsara koa ny mamely olona efa mikororosy  amin’ny tany. Ny nahafinaritra azy avy teo dia ny nahita ireo teny fankaherezana maro avy amin’ny olona : ny fianakaviana, ny namana, eny fa avy amin’olona tsy fantatro akory. Tsy azo atao tokoa manko ny miara-mitoetra amin’ny akohovavy ka hanantena azy hikopak’elatra toy  ny voromahery”.