Tarika Damily

Tamin’ny taona 1987 no niakarako an-sehatra voalohany tao Tongobory Faritany Toliara nisy mpanakanto nandalo nanasa ahy mba hihira .Nahafalifaly ahy tokoa izany ka tsy nahatafandry mandry satria tavela tao an-tsaiko io traik'efa io .

Avy eo
dia niaraka tamin’ny tarika MIRIORIO tao Bezaha nandritra ny telo
taona, niaraka tamin'ny tarika SAFO-DRANO tao Toliara nandritra ny
enintaona. Nahaleo tena nanomboka taminy taona 1997.Fantatsika
moa ny Tsapiky fa tsy zavakanto fahita  eny ambony sehatra fa niandoha
rehefa misy fivoriana sy fomban-drazana  toy ny (famadihana, bilo, savatsy, fandevenana,izay antsoina hoe MANDRI APOTOTSY). Nanomboka tamin’ny taona1995,izay vao nanomboka nisy fiakarana an-tsehatra ,Toliara, Morondava , Belo/Tsibihina, Mahabo, Ilakaka,Angarazy,Sakaraha,Ihosy..sns ka hatramin'ny nialako tany madagasikara  nifindra taty  Frantsa taminy taona 2001.

Nanao
seho maro isan-karazany aty Frantsa nanomboka taniny taona 2006 taona
2008 amin'ireny fihetsiketsehana lehibe ireny (festivals) ary tany  La Réunion tamin'ny fetiny fanafahana ny fanandevozana tamin-ny faran-ny taona 2008

Ireto avy ireo seho atao manaraka mandritra ity taona 2009 ity: 

11/06 : French-KWA - 6 rue Planchat - 75020 Paris

14/06 : Salon Emmaüs-Porte de Versailles

19/06 : Guinguette Chez Alriq-Bordeaux (33)

20/06 : Bal Poussière à champ-Malville (44)

26/06 : Festival des Hautes Terres - Saint Flour (15)

27/06 : Festival des Hautes Terres - Saint Flour (15)

04/07 : Puy d'Ardannes à Chalais (86)

12/07 :  Festival Musiques et Jardins – Aubervilliers (93)

13/07 : Bal du 13 juillet, place de la Bastille – Paris 12

15/07 : Les rendez vous-Les Ponts de Cé (49)

14/11 : Le Fil- Saint Etienne (42)

13/02/2010 : Cité de la musique (en duo)

Nivoaka
teto Frantsa tamin’ny volana oktobra lasa teo ny kapila manjelatra
nataonay voalohany izay niarahanay niasa miaraka amin’ny label
Hélico,Efa amidy eny amn'ny tranombarotra ireny izany amin'izao fotoana
izao . Eo am-pikarakarana ny kapila faharoa ny tarika Damily amin'izao
fotoana izao izay antenaina hivoaka amin’ny taona 2010

Hitantsika
moa fa tsy moramora ny manao zavatra eto  Frantsa fa misaotra ny label
hélico izay manao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra
amin'ny tarika Damily mikarakara tsy matory andro aman'nalina manasoa
ny gadon-kira malagasy Tsapiky mandry ampototsy.

Miala
tsiny ho anareo mpamaky fa tsy afaka milaza zavatra maro, ankoatry ilay
gitarako, fa tiako ny mahita anareo mandihy na mitsinjaky eo anolako ny
dikany zay mitongava maro amin’ny concert ny tarika Damily mba hahita
raha soa,ary aza adino ny tanindrazana MADAGASIKARA(ry tanindrazanay
malala o ry madagasikarako) mahazoa fahafinaretana.

Tahirin-tsary : J.Boccon-Gibod © www.360images.fr

Ireo takelak'i Damily :

www.damily.net
www.myspace.com/damilytsapiky
www.helicomusic.com