Thailande : havatsa nesorina ka namela olatra be.

 

 

 

Mba tandremo ihany ny fanafody na fitaovana ampiasaina raha hanapa-kevitra hanala ny havatsa amin'ny hoditra fa loza ny nahazo an'i Pasuda, tovovavy monina any Thailande.

Ankoatra ny fampiasana ny "laser" dia misy fanafody ihany koa ankehitriny afaka hanalana azy : ny Rejuvi, karaza-menaka ampidirina anaty hoditra amin'ny alalan'ireny fanjaitra fanaovana havatsa ireny ihany. Trohan'ny sela izy dia mampiakatra sy manendaka tsimoramora  ny hoditra. Tena niasa tokoa ilay fanafody saingy nony afaka andro vitsivitsy dia feno nana nivoaka tamin'ilay faritra nasiam-panafody, sanatria toa may. Nony nitsahatra tsy nanonitra intsony ilay fery dia niendaka tokoa ilay havatsa saingy dia namela olatra be.

Noraiketin'i Pasuda an-tsary daholo ny fizotran'ny kalvariny mba ho lesona ho an'ny hafa. Ka mitandrema ihany re, raha mieritreritra ny mbola hiova hevitra any aoriana dia aleo tsy manisy ireny havatsa ireny sao halain-kanirina ka hampivandravandra. Raha efa misy kosa dia andramo amin'ny faritra kely sy tsy avy dia taza-maso aloha ilay izy ka raha hita hoe nety vao miroso amin'ny fanalana azy tanteraka.