Thiera Bruno

ANDRIAMARO THIERA BRUNO, teraka tao Antananarivo tamin’ny
1954.

1964 : Vao folo taona monja dia nanomboka niakatra
an-tsehatra izy ary nanao vakodrazana tao amin’ny tranom-pokonolona Isotry

1971: Nandray anjara tamin’ny fifaninana hira madinika tamin’ny teny frantsay (concours
de variété françaises) tao amin'ny Radio Nationale de Madagascar

1972 : Namoaka ny kapila « 45 tours »  voalohany misy ny hira « Nofy ratsy »
sy « Endrikao » .
Nanomboka tsy afaka am-bavan’ny malagasy ny hirany  hoe « Tsipolitra » sy « ity
hirako ity » sns.

1974 -  1981: Nanomboka nitety an’i
madagasikara nanao fampisehoana .Saiky voatetiny avokoa ireo faritany enina sy
ireo tanan-dehibe tao aminy

1982 : Nahazo ny loka  Radio France tamin’ilay
hira « fananetanana »

1984 : Nahazo fanasana tamin'ny « Festival de printemps de Bourges » ary
izy no nanomboka ny fizarana voalohany .Ny fizarana  faharoa dia nadnraisan’ny  namana afrikana anjara.

1991: Nanafana sy nanentana ny hetsika Herivelona tao amin'ny 13 mai.

2001: Tao Vienne,nanohana ny « Festival SOS  Mit Mensch » .

2002 : 22 Febroary tao Mahamasina dia nandray anjara tamin’ny fanokanana ny
Filoha Marc Ravalomanana  tamin’ny « mila
namana » sy « Ka tianao va »

Hetsika manaraka handraisany anjara dia ny 11 jolay 2009 any
amin’ny Palais des  Congres de l’Est Parisien,
Montreuil