Tomi Dadarozy

Tomi DADAROZY no solon’anarana ahalalana an’ i
RASOLOFOSON Fidy Manantsoa, monina ao Antsirabe  (Madagasikara).

Mpikambana ao amin’ny OMDA ( Zon’ny Mpamorona)
nanomboka ny taona 1995 amin’ny maha - Mpanoratra,Mpamorona feon-kira sy
Mpandrindra mozika ary Mpihira.

Nanomboka  tamin’izy 15 taona no nilona
voalohany tao amin’ny tontolon’ny mozika tamin’ny fampianarana tena.

Nanomboka tamin’ny 1994, tany Toliara, no namorona ny Tarika GAMA na Gasy
Manal’ Azy vokatry ny finamanana tanora maromaro mpankafy mozika mifangaro na “
fusion”  ka ny mozika Rock Vakodrazana
malagasy no niangalin’izy ireo tamin’izany.Nandray anjara tamin’ireo
fihetsiketsehana nisy tamin’izany ny Tarika GAMA , toy ny Cabarets, Diner
concert, Fête de la musique, Rencontre musicale ary Festival Culturel de
l’Université ...

Ny taona 2002, Tomi DADAROZY raha nanohy ny
fianarany tao Antananarivo dia nanangana Tarika REGA na Revy Entin' ny Gadon'
Adalana vokatry ny mpinamana ny samy mpilalao mozika izay nandray anjara
tamin’ny fandaharana ( MaTV sy RLI, RTA hoanao …) , Cabarets ary Fête de la
musique ...Ny fianarana anefa no nahatonga ny Tarika ho rava tamin’izany.

Nanomboka ny taona 2005 ka hatramin’izao, Tomi
DADAROZY dia nifototra tanteraka tamin’ny famoronan-kira ka anisan’ ny
nahalalana azy teo amin’ny tontolon’ny kanto dia ny fandraisany anjara tamin’
ny raki-kira roa an’i Haingo "Ho Anao" sy "Groove it… from
MD" (tsidio www.haingo.com) sy ilay
hira hirain’ i Haja PAZZAPA III mitondra ny lohateny  " Tiako tokoa " ary ireo tanora vao
misondrotra ...

Ny taona 2006, niverina indray ny Tarika GAMA
( niova ho  GAsy MAsaky) rehefa nihaona
ka namokatra raki-kira mitondra ny lohateny “ Madagasikara” izay miangaly ny
“musique du monde”. Noho ny fahatomombana ara-bola sy ny tsy fananana Manager
dia mbola tsy nivoka eny amin’ny tsena ny vokatra.

Ny oktobra 2008, dia nandray anjara tamin’ny
Festival Madajazzcar tao Antsirabe izy sy ny mpiara-miasa aminy izay mpialalao
mozika ihany koa ka nanangana Tarika RegVak QUARTET izay  miangaly ny Jazz Fusion Malagasy.

Tomi DADAROZY dia mpankafy ny “Musique du
monde “ sy ny vazo miteny.

Raha sitrapon’ Andriamanitra dia amin’ ity
taona 2009 ity izy no mikasa ny hamoaka ny raki-kirany voalohany mandeha irery
izay miangaly ny vazo miteny ary eo am-pitadiavana ny manager-ny izy amin’izao
fotoana izao.
Mieritreritra ny hanangana Tarika iray hafa izy izay hilalao “musique du monde
“ rano fotsiny izay efa vonona ny hira rehetra.

“ Ny fihenoana sy fankafizana ny mozika dia
mitondra fanantenana sy fihavanana amin’ny fiainana, ary ny fanaovana ny mozika
dia miteraka filaminana ao anaty ” Tomi DADAROZY

Tranok’ala : http://www.tomidadarozy.netii.net na
www.myspace.com/tomidadarozy 

Imailaka : tomidadarozy@live.fr