Tosika ho an’ny fampianarana sy fanabeazana

Isan’ny ezaka tena mbola lavi-dalana eto Madagasikara ny fanabeazana sy ny fampianarana. Marina fa maro no efa nataon’ny fanjakana sy ny fikambanana tsy miankina isan-karazany kanefa tsy hita hoe mankaiza satria toa samy manao ny heveriny ho mety ny tsirairay. Ny olana anefa dia mandeha « gona » miparitadritaka etsy sy eroa fotsiny ireny ezaka ireny, fa tsy misy vokany tena manaitra. Teto Fianarantsoa tato ho ato dia nisy ezaka lehibe ihany koa nataon’ireo karazam-pikambanana mpanamba tsy miankina amin’ny fanjakana. Ao ireo efa fanta-daza amin’ny fanabeazana ny ankizy  zanaky ny tena sahirana sy ny mipetraka an-dala-be toy ny VOZAMA, ny Enfant de Soleil, ny Association Don Bosco. Ao koa ireo mbola vaovao ka miezaka manampy ny hafa tsy mbola misy mpiahy toy ny eny Ambalakilonga eny ambadiky ny Don Bosco Fianarantsoa, ny « Omeo bonbon » izay mikarakara ny zanaky ny gadra ihany koa ; sy ny sisa sy ny sisa. Fa nisy iray tamin’izy ireo tena mba nanaitra anay tamin’ny nanangonam-baovao. Ny CERES na ny « Centre de Renforcement Scolaire » no tiana holazaina eto. Hafa kely ny fanabeazana entin’izy ireo satria « manomana manam-pahaizana sy olom-banona » fotsiny.

Ahoana no ataony ? Mandeha any ambanivohitr’i Fianarantsoa (Alakamisy Ambohimaha, Nasandratrony, Andranovorivato, Ambalakely) io fikambanana io ka mitady ireo ankizy tena mahay any amin’ny C.E.G, manaiky ampiana ho tafita amin’ny fianarana. Manomboka ny kilasy 5ème ka hatramin’ny 3ème. Rehefa afaka BEPCES izy ireo dia apetraka amin’ny Campus aloha mandritra ny herin-taona vao miditra Seconde amin’ny lycée heverina fa matotra indrindra eto Fianarantsoa toa ny Saint François Xavier, ny Fo Masin’i Jesoa, ny Saint Joseph Ambozontany, ny Lycée Raherivelo Ramamonjy. Io taona ipetrahany amin’ny Campus io dia hanamafisana ny fahaizan’ny ankizy ny teny Frantsay, ny teny Malagasy sy ny Matematika. Iantohan’ny Ceres ny sakafo, ny fatoriana, ny fianarana. Ampianarina azy ireo koa ny maha-sarotra sy ny mahafinaritra ny fiainana andrenivohitra ; satria samy hafa ny fiainam-pianarany tany ambanivohitra sy ny ao andrenivohitr’i Betsileo.  Omena azy ireo amin’izany ny fomba fiainana sy ny fitondran-tena mendrika : fiarovana ny aina sy ny fivelarana amin’ny hafa. Tamin’ny fanadihadihana ihany no nahafantarana fa ambony tokoa ny fahaizan’ireo ankizy Ceres ireo ny teny frantsay raha oharina amin’ny namany noho io herintaona Campus io. Efa miisa 360 izao ny isan’ny mpianatra voaray ao amin’io CEres io na dia vao 5 taona monja aza no nisiany. Miara-miasa betsaka amin’ny DREN Haute-Matsiatra sy ny Direction Nationale de l’Education Catholique izy ireo.

‘Najaris.