Tovovavy tsy mahazaka na piti-drano iray aza amin'ny hodiny.

 

Maro karazana tokoa ny aretina fa misy koa ny tsy mahavoa afa-tsy olona vitsy dia vitsy eran-tany, toy ny mahazo ny hoditr'i Niah Selway, tovovavy anglisy, iray amin'ny olona 32 eto an-tany tsy mahazaka na dia piti-drano iray aza. Na orana na rano isasana na hatsembohana, eny fa na dia vongan-dranomaso mitete amin'ny tavany aza dia miteraka fijaliana ho azy. "Hidihidy avy amin'ny rano" (urticaire acquagénique) no iantsoana io aretina io ary toa ny nokikisana taminy spaonjy marokoroko ny hoditra raha vao azon'ny rano na dia bitika dia bitika aza ; ary raha ny sandriny ohatra no mahazo rano dia mivaly hatrany amin'ny lamosiny rehetra any ny fanaintainana. 

Tsy  mora tokoa ny fiainany. Ny hany azo atao hoy izy dia manao yoga na mandeha tongotra miadana fa ireo no tsy maha-tsemboka ary rehefa andro mamay be iny dia mihidy anaty efitrano miaraka amin'ny fitaovana manome tsio-drivotra izy.  

Fony izy 5 taona no nanomboka ny fijaliany fa na ny mpitsabo aza tsy nahita fanafana fa tamin'izany dia noheverin'izy ireo fa tsy mahazaka hidihidy fotsiny izy satria isaky ny nandro impolo teo ho eo izy no miseho ilay aretina. Nony tatý aoriana kosa dia nanjary isaky ny avy nandro mihitsy izy no mitranga ilay izy. Ny hoditra ihany aloha no voa fa ny taova any anaty kosa tsisy matahotra rano. Raha zohina dia ny iôna amin'ny rano tsy voatantavana no tena mahatonga io.  Fa izy kosa dia tena tia manaingo ny endriny amin'ny hosotrosotra isan-karazany. Hazavainy ao amin'ny tambazotra Facebook  sy Youtube moa ny momba izany aretina izany sy ny fizotran'ny fiainany na eo aza io aretina io.

 

 

Rondro Volantsoa