Very fanahy ny Tsangambaton'ny Fahafahana amin'ny ataon'i Donald Trump.

 

Manoloana ny hevitra sy fihetsik'i Donald Trump momba ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana mankany Amerika dia gazety lehibe roa no namoaka lohahevitra mahakasika io : ny gazety alemana Der Spiegel dia nanao sarihitatra an'ity filoha vaovao amerikana ity manapa-doha ny Tsangambaton'ny Fahafahana. Ny gazety amerikana The New Yorker kosa dia namoaka sarin'ity Tsangambato ity mitana lelafo maty.

Ny fotokevitra tiana avoitra moa dia hoe mifanohitra amin'ny hafatr'ity tsangambato  malaza ity ny fanapaha-kevitra noraisin'i Donald Trump raha vao nandray fitondrana  izy satria ireo izay efa nitsidika io Tsangambato io dia afaka manamarina fa io no  mitsena ireo vahiny tonga mitsidika na tonga honina ao Amerika ary izao no voasoratra  eo an-tongotr'izy io : "Omeo ahy ny malahelo, ny reraka, ny vahoaka tsy hita isa  maniry mba hiaina an-kalalahana, ireo izay lavin'ny moron-dranomasinareo efa feno  hiaka. Alefaso aty amiko ireo niangaran'ny vintana, aoka ny tafio-drivotra handefa azy  ireo aty amiko. Ary izaho hanantona ny faniloko eo amin'ilay varavarana volamena."

 Ilay varavarana volamena eto dia maneho ny fahaizana sy fahavononan'i Amerika mandray ireo tonga hanorim-ponenana any aminy kanefa hiova tanteraka raha ny politikan'i Donald Trump no ampiharina.
Maty teo ilay lelafo feno fanantenana, tapaka teo ny lohan'ilay Tsangambato.