Voaaro amin'ny hatsiaka be koa ny elefanta any Inde.


Biby ahiana ho lany tamingana ny elefanta na dia azo lazaina fa isan'ny biby lehibe indrindra eto an-tany aza, raha ny lanjany sary nindramina tamin'i Roger Allen ©mahatratra 7500 kilao sy ny haavony efa ho 4 metatra no zohina.
Marina fa mahasarika mpizaha tany maro izy ireto any Inde izay isan'ny firenena manome hasina manokana azy ho toy ny andriamanitra kely. Be ny olana mahazo ny elefanta, satria ankoatr'ireo mpihaza elefanta tsy mifaditrovana dia ao koa ireo miompy azy ireo amin'ny toerana tsy mendrika azy satria mampidi-bola rehefa hampanaovina fampisehoana.

Niova ny toetr'andro ankehitriny ka zary mangatsiaka loatra any Inde. Misy akony amin'ireo elefanta efa somary valabalaky ny fiainana izany hatsiaka be ambanin'ny 0° izany, ka nanapa-kevitra ny fikambanana mpiahy ireto biby ireto, ny Wildlife SOS Elephant Conservation & Care Centre fa hangata-bonjy amin'ireo vehivavy ao amin'ny tanàna mifanila aminy, mba hanamboatra "akanjo mafana" ho azy ireto. Marihina anefa fa anatin'ny tetikasan'ity Fikambanana ity miaraka amin'ny fikambanana frantsay iray, ny One Voice, ny nanafahana ireo elefanta amin'ny ziogan' ireo matihanina amin'ny fampiasana biby hanao fampisehoana, ka maro ireo fianakaviana namotsotra ireto biby ka namerina azy ireo amin'ny vala voajanahary natao ho azy, ary nanaiky ny hianatra asa hafa ho fitadiavam-bola.

Mahafinaritra ny mahita ny vokatry ny fiaraha-miasa : elefanta 23 no voaaro amin'ny hatsiaka, baolim-bolon'ondry 4 kilao teo ho eo no nilaina nanaovana izany ary naharitra iray volana maninjitra ny asa. 

[etsy ambony ankavanana, sary nindramina tamin'i Roger Allen ©]