Zanak Alaotra

Ny fikambanan’ny Zanak’Alaotra dia niorina tamin’ny 2007 tamin’ny alalan’ny Facebook. Miisa 260 eo ho eo ny mpikambana amin’izao fotoana izao avy amin’ny vazantany
 efatra (Madagasikara, Erôpa, Amerika ary Afrika) izay ivondonan’ny zanatany avy any Alaotra, ny mpiavy ary ireo rehetra te-hifandray amin'ny olona avy any amin’ny
 faritr'Alaotra sy te-handray anjara amin'ny fampandrosoana an'Alaotra koa.
Ny tanjona voalohany dia ny mba hanamafisana ny fatotra iraisan’ny mpikambana amin’ny faritra Alaotra amin’ny alalan’ny fifandraisana sy dinika ary fifanakalozana
 anentanana ny tsirairay handray anjara. Noho izany dia misy ny tetik’asa iarahana, efa natao sy ny mbola ho avy ho anjara biriky ho fampandrosoana ny faritra.
 Ny zavatra atao rehetra dia ifanakalozan’ny mpikambana rehetra, hatramin’ny fifidianana "logo" sy teny faneva ka hatramin’ny tetik’asa rehetra izay hatao.
Ny dingana lehibe voalohany izay vita dia ny fanangonana boky, izany no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa tamin’ny Alliance Française Ambatondrazaka, ireo boky zay
nalefa dia afaka jerena ao amin'ny AF ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ireo liana rehetra tsy ankanavaka.
Mitohy ny hetsika izay ataon’ny fikambanana ka hihitatra amin’ny sehatra hafa toy ny fitadiavana famatsiana ho fanampiana amin’ny fanamboarana ny lalampirenena 44,
 fanangonana fitaovam-pianarana sy fanatanjahantena sns …
Mbola mitohy ihany koa ny fanangonana boky isan-karazany ho an’ny sekoly any amin’ny faritra. Raisina an-tanadroa daolo ny boky rehetra izay misy, misy solotena
maromaro afaka maka na hametrahana boky fanomezana:

Manasa anareo hijery ny pejin’ny fikambanana amn’ity rohy ity: http://www.facebook.com/profile.php?ref=name&id=850489286#/event.php?eid...
Miaramiasa amin’ny tranonkala http://www.rambika.com

Raha mila fanazavana fanampiny dia aza misalasala manontany :
1/ Bazar Bé
Dons pour ZANAK’ALAOTRA Facebook
10, rue du 14-Juillet
94 270 Kremlin-Bicêtre

2/ ZANAK’ALAOTRA Facebook
Chez Mme RAJAONASY Yolande
1 Rue Serge Prokofiev
92220 BAGNEUX
mail : yolanfel@hotmail.com

3/ ZANAK’ALAOTRA Facebook
Chez Mr RAKOTONIRINA Ando (PARIS)
mail : ando.rakotonirina@gmail.com
Contact : 06 82 44 12 21

4/ ZANAK’ALAOTRA Facebook
Chez Mme RAKOTOMALALA Anjatiana
4 RUE EUGÈNE DELACROIX
60110 – MÉRU
mail : anjatiana_r@yahoo.fr

5/ Avy any amin'ny faritra allemagne
Fanja Hanitriniaina Rabevohitra
adresse e-mail : RFHnj@aol.com

Misaotra mialoha sahady amin’izay fanampiana entinao.
Zanak’Alaotra Facebook