Andro iraisam-pirenena ho an'ny tantely: ny ohatr'i Slovenia

 

Andro iraisam-pirenena natokana ho an'ny tantely ny 20 mey. Efa taona maromaro izao io bibikely mahasoa io no voalaza fa tandindomin-doza satria mila ho ringana sy lany taranaka noho ny fahasimban'ny tontolo iainana, fa  indrindra indrindra noho ny fambolena amin'ny toerana midadasika sady ampiasàna fanafody simika mamono bibikely. Inona tokoa moa no zavatra mety hitranga raha tsy misy tantely intsony eto ambonin'ny tany, ilaina ve ny tantely?

Ny tantely dia anisan'ireo bibikely mandray anjara eo amin'ny fiaiam-pananahan'ny zava-maniry. Izy no mitondra ny vovo-bony avy eo amin'ny lahim-bony hipetaka eo amin'ny vavim-bony, noho ny tantely mitety ny voninkazo mba haka ny maminy hanamboarany ranon-tantely. Avy amin'io anjara asan'ny tantely eo amin'ny zavaboary io no ahazoana ny ankamaroan'ny voa ataon'ny olombelona sy ny biby maro hafa sakafo ary koa ho voa raha latsaka amin'ny tany ka mitsimoka dia lasa zava-maniry vaovao indray.

Ny ranon-tantely dia vokarin’ny tantely ho sakafon'izy ireo. Ny biby hafa sy ny olona koa dia mihinana ny ranon-tantely izay sakafo tena mahavelona, feno otrik'aina sady manana ny tsirony miavaka; azo atao fanafody mahasolo antibiôtika.

Ny tantely koa dia bibikely fanaon'ireo biby sasany toy ny voronkely sasany sakafo.

Raha nivory tokoa mantsy ry zareo mpikaroka sy mpandinika manokana momba ny tontolon’ny zavaboary: ny IUCN (Union Internationale pour la Conservation de la Nature) ny 29 aprily hatramin'ny 4 mey, nokarakarain'ny ONU tao New-York, dia voalaza fa miisa ho iray tapitrisa eo ireo biby sy zavamaniry mila ho lany taranaka ankehitriny noho ny vokatry ny ataontsika olombelona ka mila arovana haingana tsy misy fepetra amin'izay fomba rehetra tokony hatao amin'izany.

Araka ny hita tetsy ambony ary dia anisan'ireo bibikely mila arovana haingana ny tantely amin'ny alalan'ny fiompiana azy na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Tokony hamporisihina sy ankasitrahana manokana ireo mpiompy tantely na ireo manao izany fiompiana izany ho asa fidiram-bola na ireo mpiompy kely ho an'ny tenany fotsiny koa. Samy mandray anjara eo amin'ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampitoboan-taranaka ny zava-maniry ary fanjarian-tsakafo koa aza mantsy izy ireo. Mazàna ireny mpiompy tantely ireny dia sady mamboly voninkazo haingon-tanàna na hazo fihinam-boa ihany koa. Ka sady manome endrika tsara ny tanàna no manatsara sy miaro ny tontolo iainana ihany koa.

Mba hanampy ny tantely hiaina tsara dia amporisihana ny fampiasana ny fambolena biôlôjika, tsy mampiasa fanafody simika.

Hafakely ka hozaraina eto ity lahatsoratra nadika avy tao amin’ny Quotidiano.net ity izay mampiseho fa azo atao ho fitaovana mahomby ho fampandrosoana ny toe-karena ny fiompiana tantely.

Ny tantely sy ny fizahantany? Zavatra roa samy hafa izay toa tsy azo an-tsaina hisy fifandraisany. Ny fizahantany amin'ny alalan'ny tantely na “apitourisme” dia misy mitrandraka tokoa ary azo lazaina fa miha miroborobo.

Hosinganina manokana ny firenena iray dia i Slôvenia, izay manome lanja sy milofo fatratra amin'io sehatra io. Raha toa ka misy ny faniriana sy ny hetaheta te hanadiady sy hamantatra be be kokoa ny momba izany dia izy no firenena tena azo antoka indrindra ka tsara hotsidihina.

Tanin'ny tantely

I Slôvenia no toerana niavian'ny tantely karnika “carnique” (apis mellifera carnica), karazany anisan'ny tian'ireo mpiompy tantely maneran-tany izy io noho izy biby mora, izany hoe afaka misedra fiovaovana maro sady matanjaka.

Arivo taona teo izao no efa niompy tantely ry zareo slôvena. Amin'izao fotoana izao dia arovana manokana ny tantely “carnique” any Slôvenia ary fantatra fa misy mpiompy tantely dimy eo amin'ny mponina miisa arivo. Salan'isa ambony indrindra manerana an'i Erôpa io. Miisa 10.000 ireo mpiompy ireo ary mikarakara tranon-tantely miisa 16.000 mamokatra ranon-tantely voasokajy ho tena tsara sahabo ho 2.000 taonina isan-taona.

Azo lazaina ary fa tena fifankatiavana marina tsotr’izao no misy eo amin’ny Slôvena sy ny tantely.

Efa nandrafitra ny maha izy azy hatrizay rahateo io, miaraka amin'ny fitandrovana koa ny tontolo iainana ary nahoana moa angamba hoy izy ireo raha ifampizarana amin'ireo vahiny mamangy any koa izany?

Inona no ataon'ny "Mpizaha tanin-tantely" (apitouriste)?

Ao Radovljica dia misy tranom-bakoka mahaliana ahitana ny momba ny fiompiana tantely sy fandalinana mikasika izany ranofotsiny. Ny ao amin'ny toeram-piompiana tantelin'i Slôvenia ao an-tanànan'Ludovika indray no ahafahana mahita sy mitsapa akaiky ny tena fiompiana.

Misy ny fitsangatsanganana am-bisikileta na dia an-tongotra “trekking thématique” miaro fitsidihana toerana manokana amin'ny faritra maro. Ao ireo toeram-panamboarana labozia vita amin'ny savoka, ny toerana ahafahana mandoko tranon-tantely amin'ny loko marevaka nentim-paharazana mampiavaka ny any. Ao ireo trano fandraisam-bahiny, ny châlet miavaka amin'ny endriny mampahatsiahy ny mason-tantely. Ny spa mampiasa ny tantely atao fanafody na fikolokoloana ny vatana toy ny  menaka fanorana sns… Manginy fotsiny ireo toerana samihafa ahafahana manandrana ireo sakafo miavaka isan-karazany avy amin’ny tantely.

Tsapa fa manana ny lanjany manokana raha ny tantely any Slôvenia. Ireo trano fandraisam-bahiny miompana manokana amin'ny tantely tokoa mantsy dia tsy mba ny isan'ny kintana isalorany no hisokajiana azy ireo fa ny isan'ny tantely kosa indray, ka tantely iray hatramin'ny telo arakaraky ny fenitra takiana eo amin'io sehatra io any an-toerana.

Ao amin'ny tranonkalan'ny birao misahana ny fizahantany any Slôvenia dia ahitana koa ny fanazavana be be kokoa momba ny “apitourisme.”

Ny soa fianatra hono!

loharano: quotidiano.net, ny sary: traditionally painted beehive near Pivka, pinterest.