1 novambra Toamasina : tsara ny tsenan’ny voninkazo

 

Nifanitsakitro ireo olona tao  Toamasina nihazo ireo fasan-drazana nandritra ny andron’ny 1 novambra. Fanadiovana sy fanaterana mari-pahatsiarovana toy ny voninkazo eny amin'ny fasana amin’ny ankapobeny no entin'ny olona hanamarihana io andro io. Tamin'ity taona ity, na dia eo aza ny krizy dia nandeha tsara ihany ny varotra voninkazo. Ireo mpivaro-boninkazo ao Toamasina, ohatra, dia nilaza fa afa-po tanteraka tamin’ny varotra voninkazo ny andron’ny 1 novambra iny, tsara ny tsena. Saika ireo mpivarotra voninkazo avy tany Antananarivo no tonga teto Toamasina. Ireo voninkazo voajanahary no be mpividy tamin’ity fetin’ny maty 2011 ity.

Fasam-bazaha ao Toamasina

Tomefy olona ihany koa ny Fasam-bazaha ao Toamasina tamin'iny 1 novambra iny. Ny mahakasika ny Fasam-bazaha eny Tanambao II Toamasina mifanila amin’ny Fasan’ny Mahery Fo no itondrana fanadihadiana fohy  ho anao. 

 

   

Ny taona 1897 no niorenan’io fasana io ka teny Ampasimazava  aloha no nisy azy tamin’izany ary natokana ho an’ireo teratany frantsay namahatra teto Toamasina tamin’ny fotoanan’ny fanjanahantany  ka izay no nahatonga ny anarany mandrak’androany ho Fasam-bazaha. Tato aoriana kely kosa nahatsapa ireo Tangalamena tao Toamasina  fa noho ny hasin-tany tao Ampasimazava dia tsy maintsy nafindra tao Tanambao II misy azy ankehitriny ilay Fasam-bazaha. Araka ny fanadihadiana natao, maherin’ny 7.000 ireo olona milevina  ao ankehitriny. Ireo olona manana fianakaviana milevina ao dia tsy maintsy mandoa vola hofan-tany amin’ny kaominina Toamasina 23.000 Ar isaky ny 5 taona.

 

Nangonin’i Tamaga