6 mey 1937 : 80 taona lasa izay no nahamay an' i Hindenburg, ilay 'dirigeable' lehibe indrindra.

 

Hindenburg dia "dirigeable" lehibe indrindra vitan'ny orinasa alemaina Zeppelin. 240 metatra ny halavany (raha 269 metatra ny halavan'ny sambo Titanic). Nampitohy an'i Eoropa sy Amerika izy nandritra ny 14 volana, saingy ny 6 mey 1937 dia nifarana ny tantarany. Raha iny hiantsona tao Lakehurst, New Jersey iny izy dia nirehitra tampoka ny tany aoriana. Nilatsaka tamin'ny tany avy hatrany tanatin'ny 34 segondra izy ary dia kila forehitra tanatin'ny 1 minitra monja. Olona 35 no namoy ny ainy tamin'io loza io.