Agro-Main-Ville : tilikambo-tanimboly goavana ao Paris, renivohitr'i France

 

Ny Agro-Main-Ville ao Romainville (Paris) dia tetikasa izay mikendry indrindra ny hamokarana sy hamatsiana legioma isan'andro ny tanàn-dehibe​. Hafakely satria fambolena anaty trano fitaratra manana endrik'irony "ziggurat", trano fivavahana tranainy any Mesopotamie irony. Na kely aza ny veleran-tany hananganana azy noho izy ao an-tanàn-dehibe, dia hisy rihana maro kosa izy satria ny hazavana sy hafanan'ny masoandro no tena zava-dehibe.

Ankoatr'izay dia entina hanaratsarana ny fomba fiainan'ny mponina an-drenivohitra ihany koa ny tanjona : ny famokarana sakafo mahasalama sy avy eo am-potony dia mampihena ny vola lany, ny famoahana entona CO2 ary ny filàna amin'ny angovo avy any anaty tany.

Eo am-piandrasana ny tapany faharoa amin'ny fifaninana "100 Quartiers innovants et écologiques" ny tetikasa ka asa raha ho lany soa aman-tsara.