Am-panaovana fivahiniana masina mankany an-Trano aho, hoy i Papa Ratzinger.

 

Afaka 4 andro dia ho feno dimy taona ny fametraham-pialana nataon'i Papa Benoit XVI tsy hitondra ny Eglizy katolika intsony. Taorian'izay dia nisintaka roa volana teny amin'ny fonenan'ny Papa teny Castel Gandolfo aloha izy, izay vao namonjy ny Monastera Mater Ecclesiae ao amin'ny Vatican.

Ka avy teny amin'io monastera io no nampitondrany taratasy ho an'i Massimo Franco, mpanao gazety ao amin'ny Corriere della Sera, ho valin'ny hafatra nalefan'i Franco sy mpamaky maromaro izay nanontany hatrany hoe manao ahoana izy ao, inona no ataony andaniany ny androny ao, sns.

Taratasy fohy, mazava sy mahitsy, milaza fa efa vonona hody izy, efa tsy lavitra ny Trano hodiany - trano miaraka amin'ny renintsoratra T. Taratasy maneho fihetseham-po voafehy nefa feno fankasitrahana. Izay i Papa Ratzinger izay. Ary angamba izay toetrany izay - na dia somary sarotra raisina ho an'ny sarababem-bahoaka aza izy - no mampirindra ihany koa ny fiaraha-monin'izy Papa anankiroa ao amin'ny Vatican ao. "Toy ny raibe ao an-trano no handraisako azy, hoy i Papa Bergoglio, ka mankany aminy matetika aho manontany rehefa misy zavatra tsy azoko na ilako ny heviny."

Toa izao ny votoatin'ilay taratasy :

 

Nanohina ahy tokoa raha maro ny mpamaky ny gazetinao no te hahalala ny handaniako ny androko amin'izao tapany farany amin'ny fiainako izao. Ny azoko lazaina dia hoe, araky ny fihenan'ny tanjan'ny vatako tsikelikely dia efa am-pivahiniana masina mankany an-Trano aho ao anatiko ao. Fahasoavana lehibe ho ahy, amin'izao ampahan-dalana farany izao, izay matetika somary mahavalaka, ny otrona am-pitiavana sy amin-katsarampo maro izay tsy nampoiziko mihitsy. Araka izany dia raisiko ho fiaraha-mamindra amiko eny am-pandehanana eny ny fanontanian'ireo mpamakinao. Ka tsy haiko ny tsy hisaotra anareo, ary mampanantena vavaka ho anareo avy aty amiko.