Ampy izay

Raha misy tokoa fitandrovana ny Tombotsoan’ny
olom-pirenena malagsy, tsy itarazoka lava tahaka izao ity transition ity.

Tsy misy miraharaha ny fahoriam-bahoaka
andavanandro izay mihalalina hatrany fa ny tombotsoan-drizalahy mpiady fahefana
no manahirana azy.

Ary inona moa ity amnistie ity ?
nahoana no tsy misy miresaka ny amniste-n’ny mpangalatra akoho fa ireo
mamporisika ny olona atao sorona sy ireo mitifitra olona hiarovana fahefana no
mitaky amnistie ? Tena mihevitra mihitsy ve ireto adalam-pahefana mifandrafy
ireto fa tsy misy vidiny ny ain’ny olom-pirenena e ! sa misy
voatendrin-janahary ho kilasin’ny tsy maty manota eto ? afaka mampahory sy
mamono vahoaka araka ny nahim-pony ?

Ary inona ihany koa ity
fampihavanam-pirenena ity. Nisy fifamonoanan’ny avy any avaratra sy ny avy any
atsimo angaha teto, na ny avy any andrefana sy avy any antsinanana ? Sa
matahotra ny adim-poko ?!!! aiza ihany ity adim-pokonareo ity e !

Efa hatramin’ny fananiham-bohitry ny
frantsay no niray hina nanohitra ny Menalamba avy amin’ny faritra sy foko maro
teto Madagasikara. Efa tamin’ny tolona ho amin’ny Fahaleovantena no niray hina
tao anatin’ny VVS sy ny MDRM ny Malagasy manerana ny Nosy. Ary hatramin’ny
nahazoana ny Fahaleovantena, nisy ny karazam-poko rehetra ny fitondrana
nifandimby teto.

Raha niresaka an’I Vietnam isika
teo, fantatrao fa misy foko 75 ao anatin’io Firenena io ? ary misy firy ny foko
ao Frantsa ao ? moa ny olona mandany andro amin’ny fandranitana adim-poko ?

Tsy adala akory ny Malagasy, na
inona fahoriany, na inona fandranitana, mbola tsy lany hasina ny atao hoe
Fihavanana.

Kapila na diska goaka efa lany andro
io fandranitana adim-poko io. Fandrebirebena hahazoam-pahefana fotsiny. Mbà
menatra tompoko ô !

Raha tena hanolo-tena hiaro ny Tombotsoa
Avon’ny Firenena ihany, raha mba mahalala ny hasin’izany atao hoe
Fiandrianam-pirenena ihany. Mba manaraha ny toetr’andro ary aza adino ny
tantaran’ny tolona rehetra teto.

Raha milaza tena ho mpitondra Firenena Hendry
marina ianao, sahia miteny hoe Malagasy aho
aloha vao merina, na antandroy, na betsimisaraka, na betsileo sy ny hafa : Malagasy aho aloha !.

Mahagaga ve raha ataon’izao tontolo
izao mandala ny Demokrasia ankilabao ny Firenentsika ? satria ianareo
mifandripaka mitady ho lohany ireo, ny loha-maleminareo aza mbola tsy mikatona
!!!

Raha izay vola lany natao hoe itadiavana
vaha-olana amin’ny transition izay ve tompoko ? ny hofan’ny Jet privé, ny
saram-piaramanidina, ny hotel de luxe, ny sakafo sy whisky nifandomanareo vera
izay !

Raha izay rehetra izay, ka nampadeferinareo ny
fitiavantenanareo tsirairay avy fa ny Fiandrianam-pirenena sy ny Tombotsoa
avon’ny Firenena no nimasoanareo, tsy efa nilamina ity tany ity ?

Mandritra izay fotoana izay, ny
vahoaka tokony andrianina, ny olom-pirenena tsotra no miantoka amin’ny lafiny
rehetra, tsy misy miraharaha !!!

Mandritra izay fotoana izay,
mirehareha sy mihetraketraka ireo mahazo fahefana amin’izao fotoana izao, sahala
amin’ny teo aloha ihany : samy manana ny tour-ny marina.

Lasa ny mamba, misosoka ny voay !

Fahantrana ara-tsaina, fahantrana miorina
amin’ny hetraketraka. Rehefa kely marina ny saina, dia ny didin’ny be sandry sy
be basy no manjaka !

Rehefa mahantra ny saina, dia adino
ny fanahy maha-olona, fa izay azo atakalo vola dia hamidy avokoa !

Tsy ilaina ny amnistie, tsy ilaina
ny fampihavanam-pirenena : aoka hotsaraina daholo ianareo izay mangalatra sy
mamono olona rehetra. Izany no rariny sy hitsiny. Izany no tany tan-dalàna. Dia
efa mirorona tokoa satria ny mpanao lalàna sy ireo natao hampihatra azy indray
no manitsakitsaka izany !

Ampy izay ! ampy izay ny
fandanian’andro ! Ampy izay ny hadalana !