Anitra Sarobidy

Mpanakanto
anisan’ny manana ny talenta nomen’Andriamanitra azy i Hanitra. 15 taona izy dia
efa nanomboka nihira teny anivon’ny fiangonana ka ny fiangonana Notre Dame de
Lourdes tao Manjakandriana Antananarivo no niakarany an-tsehatra voalohany
tamin’izany tamin’ny taona 1995.

Tsy mbola
nanana eritreritra ny handeha alavitra izy noho io talentany io fa niainany
tsotra toy ny fiainana an-davanandro ny hira sy mozika ka notiaviny mangingina
teny ary tsy nivoaka ny fiangonana mihitsy izy fa tao ihany no sehatra nahitana
azy.

Tamin’ny
taona 2000 izy no nanomboka nanapa-kevitra ny hanokan-tena manokana ho
an’Andriamanitra ka hidera Azy mandritra ny androm-piainany.

Tsy mbola
niaka-tsehatra nitokana na nanao ny seho ho azy manokana izy fa namaly ny
antson’izay miantso azy rehetra ka n’aiza n’aiza dia tongany avokoa isaky ny
misy miantso azy handray anjara amin’ny hira.

Fa
nanomboka tamin’ny taona 2006 i Anitra Sarobidy no nanana ny mambra ho azy
manokana miaraka mihira aminy toy ny mpanakanto rehetra.

-    

Taona
2006 ka hatramin’ny taona 2009, Atoa 
RARISON Maurice Alexis no Manager-ny izay sady niandraikitra ny tao
amin’ny Groupe Verokely.

-    

Nanomboka
ito volana Desambra ito no i Atoa Nestor ALEXANDRE no Manager-ny.

-    

Manana
mpitendry 3 ny tarika : Doda – Njara – Antsa

-    

Mpiara-mihira
7 mianadahy : Heritiana – Daniel – Iary – Ando – Lucienne  - Sandy – Tiana - Alain

-    

Amin’ny
ankapo-beny, i Hanitra ihany no mamorona ny hira hirainy fa misy ihany koa ireo
miara-miasa aminy akaiky toa an’i Hajatiana RAMAMBAHASINA – Alain – RANDRIAMAHEFASOA
ary RADOFA Emile.

Notaizaina
tao anatin’ny finoana Katolika izy saingy rehefa nanam-bady dia nanaraka ny
vadiny ka ao amin’ny FJKM Betela Toamasina no misy azy izao.

Ny
ahafahanao mifandray aminay ranestalex@yahoo.fr 
.

I
Tantara 16,25 «Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady
mahatahotra, fa ambonin’ny andriamanitra rehetra» io no andinin-tsoratra Masina ijoroan’ny tarika

Ho
voninahitr’Andriamanitra irery ihany !!! Amen !

Ny
filohan’ny tarika,

Nestor ALEXANDRE.