Antonio Barducci, fanantenana italianina - sy malagasy - eo amin'ny lalao baolina lavalava.

 


sary : Donatello Ricci

 

Antonio Barducci, teraka tamin'ny 15 septambra 1996 tao Antananarivo. Malagasy ny reniny ary italianina ny rainy. Tamin'ny taona 2002 izy no tonga teto Italia ka fony izy mianakavy nonina tany Sesto Fiorentino (Italia afovoany) no nanombohany nikitika ny baolina lavalava ny taona 2005. Niverina nipetraka tany Madagasikara indray izy ny taona 2006 ary efa ny 2008 vao nonina tanteraka teto Italia, tany Livorno.

Lavitra ny lalàna efa nolalovan'i Antonio mialoha ny nahatongavany tao amin'ny ekipan'i L'Aquila ankehitriny, ny L'Aquila Rugby Club satria tamin'ny taona 2008 izy no niditra ho ekipan'ny Lions Amaranto tao Livorno. Efa-taona taorian'izay dia nifindra tao amin'ny Accademia zonale tao Roma nandritra ny herintaona ary nanohy izany tao amin'ny Accademia tao Prato (Italia afovoany hatrany) indray avy teo.

Nanomboka ny Under 17 izy no isan'ny ekipam-pirenena italianina ka maro ny fifanintsanana nandraisany anjara, tany Frantsa, Angletera, Afrika atsimo, sns. Niakatra tanatin'ny "Série A" nanomboka tamin'ny 2014 ary ny toeran'ny andry ankavia no tena tazoniny. "Mahatsiaro tena ho andry moderna aho, hoy i Antonio, ka miezaka tsy mitazona toerana tokana. Afaka miadidy ny andry ankavanana aho ary mirotsaka amin'ny fiarovana ihany koa raha ilaina."

Etsy andanin'izany anefa dia tsy mamotsotra ny fianarana akory izy satria misy lay tetikasa "FormiAmo" iarahan'ny ekipan'ny L'Aquila Rugby Club amin'ny orinasa ENI (AGIP taloha) izay mitsinjo ny lafin'ny fanabeazana ho an'ireo tanorany ankoatra ny fanokanan-tena ho an'ny fanatanjahantena. Ka ny an'i Antonio dia ny taranja "Scienze motorie" no nofidiany, sampana izay miompana amin'ny fanatanjahantena amin'ny alalan'ny fitsaboana sy ny psikolojia.

Hita fa toy ny trondrokely miriaria anaty rano i Antonio amin'ny talentany, mihamatotra hatrany amin'ireo traikefa azony nandritra izay taona maro izay ka irariantsika izy ho lasa lavitra dia lavitra. Reharehantsika malagasy ihany koa izany, indrindra fa Madagasikara dia isan'ny ekipa tsy mena-mitaha amin'ity taranja ity saingy mila fanohanana betsaka, tsy amin'ny ara-pitaovana sy ara-bola ihany fa eo amin'ny ara-tsaina indrindra indrindra. Mila fiaraha-mientana ny manosika azy ireo hanome ny tsara aminy.  Ny ekipa XV Makis ohatra dia  mitazona ny laharana faha-8 amin'ireo ekipa 38 ao Afrika, ary faha-47 amin'ireo ekipa 120 eran-tany.

Forza Antonio !

 

 

Rondro Volantsoa