Association Gasik Art Langres

Ho fankalazana ny fetim-pirenena malagasy ny fikambanana GASK'ARTS dia mikarakara alim-pikoranana ny asabotsy
25 jiona 2011 izao ao amin'ny trano filanonana parc du château 52500 CORGIRNON, ny lanonana dia hanomboka amin'ny 8ora sy sasany alina ka ny tarika mpanao gadon-kira Gospel THE NET OF LIFE GOSPEL no
hanokatra ny lanonana, arahan' ireo mpikambana izay handray anjara hira malagasy kalon'ny fahiny sy hira
madinika ihany koa. Mandritra ny alim-pandihizana dia hisy ihany koa ny
fisarihana ny tapakila fanasana ka hisy loka maromaro no hozaraina amin'izany.
Mandritra ny lanonana dia hanomana tsakitsaky sy zava-pisotro maro
isan-karazany ihany koa ny fikambanana izay atao amin'ny vidiny tena mirary
tokoa satria na ny tapakila fanasana aza dia 7euros fotsiny ihany, i ZOX mpikambana iray ao amin'ny fikambanana no
hanafana sy hanentana ny rehetra mandritra ny alim-pandihizana!

Fa iza moa ny fikambanana GASK'ARTS ? Iza ireo
mpikambana ao anatiny? Inona ny tanjon'ny fikambanana ?

Tera-tany malagasy vitsivitsy izay monina eto Langres 52200 (Haute
Marne) no nanapa-kevitra hanangana ny fikambanana Gask' arts ny volana febroary 2010, Atoa Herizo Rajoelina no filoha izay hotronin'ireo
mpikambana ao amin'ny birao mpitantana . Lafiny ara-tsosialy sy kolotoraly no
fototra ijoroan'ny fikambanana:

Eo amin'ny lafiny sosialy dia mifatoka betsaka
amin'ny fanampiana ireo mpanao asa-tanana malagasy ny ny fikambanana: voalohany dia ny mividy any am-potony ny asa
tanana ary ny hivarotra izany aty Frantsa, (varotra fampiratiana, tsena aty
amin'ny faritra Haute Marne, sy mandritra ireo hetsika izay ataon'ny fikambanana...)
faharoa hanangona ireo fanampiana izay omen'olon-tsotra na ny mpikambana na
ara-bola na ara-pitaovana (fitafiana, fitaovam-pianarana, boky sns ) ka handefa
sy hizara izany amin'ireo mpanao asa tanana izay miara miasa amin'ny
fikambanana.

Maro tokoa ireo vazaha no tsy mahalala an'i
Madagasikara indrindra aty amin'ny faritra misy anay hoe aiza ny toerana misy
azy, ny mponina ao aminy sy ny fombam-piainany ka izany koa no antony iray nandrisika ny fikambanana hametraka ny tanjona fifanakalozana
ara-kolotoraly.

Ny fandraisana anjara amin'ireo hetsika karakarain'ny kaomina sy ireo
faritra manodidina ny Langres hetsika
efatra no vitan'ny fikambanana tamin'ny taona 2010 ho fampahafantarana ny
kolotora malagasy ; eo amin'ny lafiny hira malagasy dia ny nandraisan'ireo
mpikambana anjara nandritra ny fetin'ny mozika 21 jona 2010, ny fiarahana nanafana ny " vide
grenier" izay nokarakarain'ny fikambanana malagasy namana aty amin'ny faritra "les amis de
Rajery" 18 jolay 2010, ny fampianarana lalao malagasy katro, fanorona nandritra ny fankalazana ny
fetim-pirenena frantsay ny 14 jolay
2010,ary ny fampianarana dihy malagasy "dihin'ny faritra" isaky ny
alarobia hariva nandritra ny volana
aogositra 2010.

Koa ity
alim-pikoranana izay karakarain'ny fikambanana GASK'ARTS ity dia iray amin'ireo
hetsika izay atao amin'ity taona ity mba hanangonana vola hahafahan'ny fikambanana manantanteraka ireo
tanjona kasainy ary koa mbola entina hampahafantarana ny koltora malagasy
amin'ireo dihy sy hira malagasy ka hanentanana antsika izay maniry ny hanatrika
io lanonana io ho tonga maro na ny hifandray koa amin'ny fikambanana GASK'ARTS
amin'ireo soso-kevitra na fiaraha-miasa izay raisina an-tanandroa koa ny
mailaka gaskarts@gmail.com no hahafahanao mifandray aminay.