Azo ekena ny fampiasana an'i Jesoa sy Maria amin'ny dokambarotra, hoy ny Fitsarana Eoropeana Miaro ny Zon'olombelona.

 

 

Tany amin'ny taona 2012 no niaingan'ity raharaha ity tany Lituanie raha nampiasain'i Robert Kalinkin tamin'ny peta-drindrina i Jesoa sy Maria tamin'ny dokambarotr' ireo akanjo vokariny : tovolahy misy tombo-kavatsa, mitovy endrika amin'i Jesoa manao pataloha hasy manga nasiany soratra hoe "Jesoa ô, zany ka jeans !", tovovavy miakanjo fotsy sy mitazona vakana ary misy avan'ny olomasina eo ambony lohany nasiany soratra : "Ry renin'andriamanitra ô, 'zato akanjonao !"

Maro ny nitroatra ary niafara taminy fiampangana ilay orinasa ho nampiasa tamin'ny tsy ara-dalàna ireo sary famantarana, noho izany tsy manaja ny finoana sy mandika ny fitsipi-pitondrantena. Voasazy handoa lamandy 580 euro izy tamin'izay : "Afaka manao pataloha ve Jesoa ?"... izay no fanontaniana hiadian-kevitra eny aminy Fitsarana any Strasbourg"

Omaly 30 janoary ary dia namoaka  Fanambarana ny Fitsarana Eoropeana Miaro ny Zon'olombelona ny raharaha tsy nihantsy fankahalana na nanohintohina finoana ilay dokambarotra ka ny fanasaziana ilay orinasa dia midika fanembatsembanana ny fahafaha-miteny.