Bambs, Andriambavilanitry ny Rap malagasy.

Bambs, anarana tsy dia nanavanana ny sofinay somary efa nahazoazo taona
sy somary taraiky kely tamin'ny fihazakazaky ny fandrosoana ara-javakanto tao
an-tanindrazana.

Bambs, Andriambavilanitry ny rap malagasy.

Rehefa
nozohina ny tantarany dia tany amin'ny faramparan'ny taona 90 no nirotsahany
teo amin'ity sehatra ity, niaraka tamin'ny Xtah sy Tax tao amin'ny Rapadango. Taorian'izay dia nasehon'izy sy Nah ary Bug fa afaka milahatra tsara
amin'ny tovolahy izy ireo eo anivon’ny rap. Nanakoako tanatin’ny “ABD”-ndr'i Zazavavin-drap ny "positive-o" tamin'izany. Tsy
latsa-danja ihany koa ny fampiaraham-peon’izy sy Farah tamin’ny “Fitia iray
tamin’ny taona 2006.

Tsy hira sy
zava-kanto ihany anefa ny fiainana. Tsy afaka hijanona ho adolantsento sy tanora
foana koa. Somary nandao sehatra nandritra ny taona vitsivitsy i Bambs
nahafahany nilofo teo amin'ny fanaovan-gazety.

Fa raha mbola
ao anaty rà koa ny mozika dia tsy maintsy misy ihany ny tampody miverina.
Tovovavy matotra ara-batana sy ara-tsaina àry no miverina ka manolotra antsika
ny "Andriambavilanitra", izay novokarin’ny Label M3 Free, narindran’i
Bil sy i Tongue Nat ary andrenesana ny feon’i Safidy (Isa Roa Telo), Dina, Ony ary Felana.

Mbola iray
amin'ny marobe mbola ho avy izy ity
. Eo am-piandrasana
ny rakikira, ary satria ankatoky ny andro natokana ho an’ny Andriambavilanitra
eran-tany
 isika  amin’ny fotoana hamoahana ity lahatsoratra
ity, dia manasa sy miandry anao/antsika
 i Bambs amin’ny alahady 8 martsa ho avy izao fa manomana
sy hanolotra pì-maso ho an’ny Andriambavilanitra tsy ankanavaka izy ato :
Pejin’ny
mpankafý an’i Bambs ao amin'ny Facebook
.

Arahabaina ry Andriambavilanitra rehetra ! Misidìna ho eny amin'ny avo hatrany, Bambs !