Commune Rurale Miarinarivo : Mahantra foto-drafitrasa

 

Commune rurale Miarinarivo, anatin'ny distrikan’i  Vavatenina, Faritra  Analanjirofo.  Miisa 29.759 ny mponina ao an-toerana ary 27 km monja miala an'i Vavatenina. Eo amin’ny lafiny lalana, tsy mbola vita manadrak’androany ireo Tetezana roa (Sahamare, Saragnindona) simba tamin’ny rivo-doza rivodoza  Honorine ny taona 1986. Mbola lalan-tany no sady ratsy rehefa avy orana  koa no mampitohy an’io tanàna io amin’i Vavatenina.

Manararaotra noho izany ireo fiara vaventy mitatitra entana Vavatenina-Miarinarivo ka 100 Ar (500 Fmg) isaky ny kilao ny saran’entana. 

Rehefa miakatra ny rano, tsy afaka ny fiara. Ampitaina amin'ny zahatra ny entana sy ny olona.

Tsy ampy koa ny sekoly ianaran'ny mpianatra ao amin’ny ambaratonga fototra( EPP).

Toeram-pitsaboana: tsy misy dokotera

Tsy misy dokotera na iray aza ny Hopitaly ao amin’ity kaominina ity . Alefa any Vavatenina ireo olona mamary mafy ka maro ireo maty eny an-dalana. Mila vonjy ny vahoaka ary maintso ireo rehetra malala-tanana sy tsara sitrapo hiara-hisalahy ho amin’ny fampandrosoana an’io tanàna izay mahatsiaro ho lavitra Andriana io.

Fanadihadiana sy naka ny sary : Tamaga