Faha-75 taonan'ny Amiraly Ratsiraka: niavaka ny tao Toamasina

 

Notontosaina tao amin’ny kianja malalaky ny CRJS Toamasina ny lanonana fanamarihana ny faha-75 taonan’i Amiraly Ratsiraka. Delegasionina mafonja avy eo anivon’ny antoko Arema foibe maro no tonga tao Toamasina nahitana an’i Tantely Andrianarivo, Moise Rakotosihanaka, efa niandry azy ireo tao Toamasina  koa ny zanaka lahin’i Amiraly Ratsiraka, Xavier Ratsiraka. Niditra mivantana tamin,’ny alalan’ny antso an-tariby i Amiraly. Tamin’izany no nilazany fa tokony hisy fihaonana an-tampony eo amin’’izy 4 mirahalahy mianaka lehiben’ny ankolafy ary ao Antananarivo no tokony hanaovana izany. Mitentina 1.000.000 dolara no tokony ho enti-manana izay nanaovany antso amin’ireo mpandraharaha ara-toekarena. Hentitra koa ny fanazavany fa “salama tsara ny tenany” ary tsy marina ny filazana fa “avion médicalisé” no hitondra azy rehefa mody eto Madagasikara. Nofaranan’i Amiraly tamin’ilay fehezanteny nahafantarana azy : “Ho ela velona i Madagasikara mitraka fa tsy mandohalika”.

Mpanakanto maro  avy ao  Toamasina no nanafana ny lanonana. 

Nangonin’i Tamaga