Fanamby manaraka ao Manhattan : 'Big Bend', trano mijoajoala lava indrindra eran-tany.

 

Avo sady lava indrindra raha samy trano mijoalajoala ity kasain'i Ioannis Oikonomou, mpanorin-trano sady mpanorina ny Oiio Studio ity.

Hanana endrika "U" mitsongoloka izy ka 1200 metatra ny halavany manontolo ary raha tanteraka ny fanorenana azy dia hihoatra ny Burj Khalifa ao Dubai ny haavony, izay mirehareha ho tilikambo avo indrindra eran-tany hatramizao aloha. Ny tranovy fiakarana aminy kosa dia afaka hisosa hanaraka ny kihon'ilay trano eny an-tampony (fa angamba kosa tsy hitsongoloka hidina izy na dia hoe valim-piakarana aza fidinana).

Asa na ho tanteraka ihany anefa izany rehetra izany satria maro ihany ny lalàna mifehy ny fananganana trano mijoalajoala ao New York.