Fantatrao ve i Muriel ?

Fantatrao ve i Muriel ? Muriel tao amin’ny Pazzapa ?

Izany foana no fanontaniana rehefa avy mihaino ny sangan’asany. Koa ho
an’ireo tsy mahalala na ireo te-hahalala azy bebe kokoa dia niresaka taminy ny
RadioVazoGasy

Raharimanana Anne-Muriel no anarany , 18 taona ary mipetraka ao Paris
boriborin-tany faha 16, mbola mpianatra ary mikarakara ny fifaninana HEC, raha
te hifampitafatafa aminy dia ity ny imailaka hahafahana mifanoratra aminy anne_muriel13@yahoo.fr

13 taona izy dia nanomboka niakatra an-tsehatra, tao amin’ny Pazzapa
tamin’ny 2004. Ary nanomboka teo dia niara-nanao hetsika tamin’ireo andrarezina
teo amin’ny hira malagasy :

- Seho an-tsehatra niaraka tamin’i Tovo J’Hay tamin’ny volana desambra 2005
tao Toamasina ( hetsika indroa miantoana samy hiboka avokoa ny toerana )

- Seho an-tsehatra niaraka tamin’i Rolf  tamin’ny taona 2006 ( indroa miantoana ihany koa )

- Niara-nihira nandritra ny fotoana maro tamin’i Henri Ratsimbazafy ,
indrindra tamin’ny faha 45 taona an-tsehatr’ i Henri Ratsimbazafy tao amin’ny
Roxy

- Seho an-tsehatra niaraka
tamin’ny Makoma

Ireo seho natao taty
Frantsa indray  dia niarahany tamin’ny
Tarika Gasy Music tao Paris sy tany Villepreux

Ny hetsika lehibe miandry
azy manaraka dia ny seho iarahany amin’ny mpanakanto vahiny maro izay
karakarain’ Sony, ny toerana sy ny daty moa dia mbola holzaina manaraka ihany

Manana ilay raki-kira
“Fiainana” ( lohateny 13 : hira 9 ary tonom-betso 4 ) izy izay hita ao amin’ny Supermusic
Analakely sy ao amin’ny Masteva Toamasina.
Ireo izay mila izany kosa aty
eoropa dia afaka miantso ny 00 33 6 43 82 59 99

Indro
avela amintsika eto ny rohy izay napetrany teto amin’ny radiovazogasy http://myspace.com/murielmada

Misaotra betsaka Muriel

Haja

radiovazogasy.com