Fara Andriamamonjy 25 taona nihirana

Feno
25 taona amin'ity 2009 ity ny namoronan-kira sy nihiràna ny Filazantsaran'i
Jeso Kristy.

1984
: Fotoana namoronan-kira voalohany

1991
:  Album N° 1 "Ny loharanako rehetra
dia ao Aminao

1993 :  Album N° 2 "Velona Jesosy"

1995
:  Album N° 3 "Ampy ho anao ny fahasoavako"

1997 :
Album N° 4 "Hitempo ho iray"

2001 :
Album n° 5 "Misaora"

2004 :
Album N°6 "'Ndao hidera"

2007 :
Album N° 7 "Ianao no herinay"

2009 :
Volume spécial 25 ème : "Jeso, Ianao no deraina" ;

Mialohan'ny
nahatongavana teto Frantsa dia nanao fotoam-pankalazana an'Andriamanitra tao
amin'ny palais des Sports

nizara
telo mazava ny fotoana :

1ère P :
Mpidera 300 avy amin'ny chorale 9 tao Tana nanao choeur hiran'i Fara

 2è  P :
Groupe HIM - tarika Vonjy - KARMELA - Mialy Rakotomamonjy - Mamy Robinson -
Groupe UNITY - TGC ......... ireo ni-interprete hiran'i Fara iray avy amin'ny
fombany

 3è P : 3 Medley

-
Nanolotra Atoa Camille Rafalimanana

-Nitondra
ny hafatra avy amin'Andriamanitra : Ramatoa Lilie Razafiarison - Pr Emilien
Raafiarison

-
Sono & lumière : KIKI

Samy
nanolotra ny tsara tany aminy  ny
tsirairay avy tamin'io andro io, sady nanao tamim-pitiavana, indrindra tena
nifanotrona izany hoe nifampihaino sy nifanaja tokoa.  izany no isan'ny tena
nampahomby ilay fotoana.

Manam-bady
ary manan-janaka 4 mianadahy;

Fara Andriamamonjy izay efa tsy zoviana amintsika intsony dia mankalaza
ny faha 25 taona niakarany an-tsehatra ho an'ny Tompo.

Amin'ny fandalovany eto Frantsa dia manolotra ho anao rindran-kira
aram-pilazantsara izay iarahany amin'i Rija Rasolondraibe, Vonjy, ary Sunrise.
ny 28 novembra 2009 ao amin’ny 28 rue Arago
Saint Ouen 93400 amin’ny 07H30 hariva tsy diso. Amin’io andro io ihany koa no
ahitantsika ny dvd live « Ho Azy ho Anao » palais de sport amin’ny
vidiny mirary

" ……. fa hambarantsika amin'ny taranaka ho avy ny fiderana
an'i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony. " Salamo
78. 4b