Feno 13 taona androany i Facebook.

 

Efa 13 taona androany sahady izany no nitondran'i Mark Zuckerberg fiovana maro tamin'ny andavanandrontsika, ny fomba fifandraisantsika amin'ny manodidina tamin'ny alalan'ny facebook.
Ny fanaparitahantsika vaovao moa, na ratsy io na tsara, dia tena haingam-pandeha mihitsy ao.
Isan'ny mampalahelo koa anefa dia mety hoe finiavana hifanampy - satria hoe ny misy ny kiana mitondra soa - dia ao ireo manangana vondrona mba "hifampifosafosa", kanefa dia miafara amin'ny fidirana am-ponja izany satria nisy ny nihoa-pefy ka raikitra hatramin'ny fitoriana eny amin'ny tribonaly... noho i Facebook daholo izany.
Dia mbola eto isika aloha, samy manao izay vitany, samy mandray izay metimety aminy, samy manana ny hampiasany azy.