Festival Jerijery andiany faha-X : Tratra ny tanjona

 

 


Tence Mena anisan'ireo
nanafana ny lanonana

Nikatona ny alahady 30 oktobra lasa teo ny Festival Jerijery Vavatenina andiany faha-10. Naharitra 5 andro ny hetsika ka ny andron’ny alarobia 26 oktobra no nisokafan’izany tamin’ny alalan’ny Carnaval mitety tanànan’i Vavatenina iray manontolo. Marihina fa ny orinasa Sahamadio 67 ha Antananarivo no mikarakaraka  an’ity hetsika ity isan-taona. Nanambara i Ramatoa Razanamahandry Bernadette izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny Festival Jerijery fa tratra ny tanjona tamin’ity taona 2011 ity. Noezahina nandritra izay 5 andro izay ny nampisongadinana hatrany ireo vakoka, kolotsaina ary ireo vokatry ny tany mampalaza an’i  Vavatenina. Tratra ny tanjona, hoy hatrany ny fanazavany, ary ezahina ny hahavory olona maro hatrany amin’ny Festival Jerijery andiany faha-11 amin’ny taona 2012. Mpanakanto maro no nandray anjara tamin’ity hetsika ity: Tence Mena, Mamada, Tsiliva, Sily, Lyli, Bilo, JB Junior ary ireo artista mpanao vako-drazana sy ny maro hafa. Ny tarika JB Junior izay niezaka nampifaly ny vahoakan’i  Vavateina tao amin’ny kianjan’ny Jerijery na dia vao haingana aza ny nahalasanan’ny rain’izy ireo dia i Dr JB.

 

Tamin’ity Festival Jerijery andiany faha-10 ity, tsikaritra fa maro ireo zanak’ ampielezan’i  Vavatenina mila ravinahitra any Europe no tonga niatrika ity hetsika goavana any amin’ny Faritra Analanjirofo ity.

Marihina fa i Tompokolahy Tida Raphael  no tompo-kevitra sy namorona ny Festival Jerijery. Notohizan’ny vady navelany izany taty aoriana , dia i Ramatoa Razanamahandry Bernadette. 

Festival Jerijery andiany faha-XI indray mifankahita e!.

Nangonin’i Tamaga