Fiara vita tamin'ny ranomandry saika nahazo lamandy.

 

Sangisangy iray nahatsikaiky ity nitranga tany Montreal, Canada, ity. Noho ny habetsahan'ny ranomandry nilatsaka tany avaratra be tany tato ho ato dia nanita-kevitra i Simon Laprise ka nisokitra fiara vita tamin'io, fa tsy vongan'olona toy ny mahazatra. Nataony teo amoron-dalana ilay izy ary vitany tsara tarehy tokoa, mitovitovy endrika amin'irony fiara hafakely amin'ny "Formula Drift" irony.

Sangy ratsy saika ho ataony amin'ireo mpanadio sy mpanokatra làlana feno ranomandry ireny ilay izy, saingy tsy nampoiziny hoe ny polisy mpitandro filaminana no voajono tao. Raha nandalo tokoa manko ireto polisy ka nahita ity fiara mijanona amin'ny toerana voarara dia nidina nikasa hametraka lamandy. Nony nodinihan'izy ireo akaiky anefa ny endrik'ilay fiara dia tonga saina izy ireo fa toa tsy tena izy.

Hany herin'izy ireo nametraka taratasy kely tamin'ny toeran'ny lamandy : "Afaka ny andronay taminao...hahahaha smiley "