Fikambanana 'Fahamendrehana', hiezaka hanome sy hamerina fiainana mendrika ho an'ireo sahirana.

 

Efa iaraha-mahalala fa tsy afa-bela amin’ny fahoriana ny vahoaka malagasy  na dia maro aza ireo fikambanana sy vondrona isan-tokony efa miezaka tokoa mitondra ny anjara biriky mandrify azy ireo avy amin’ny fanampiana ireo sahirana.

Isan’ireny ny “Fahamendrehana” izay mitondra hevi-baovao tokoa amin’ity tetikasany ity. Isaoranay etoana i Tahiana, filoha nanorina ny fikambanana, nanaiky hiresadresaka momba izany ho antsika.

***********************************************************

Ny fanontaniana tonga ao an-tsaina voalohany dia hoe : inona ny nanosika anareo hanorina ny Fikambanana “Fahamendrehana” ?

Ny Fikambanana “FAHAMENDREHANA”, araky ny anarany dia mikendry ny hamerenana ny fahemendrehan’ny mponina fa tsy tanty intsony ny mijery ireo olombelona misava sakafo anaty fako, ary  matetika miaraka amin’ny voalavo sy ny alika sy biby hafa.

Vao tamin’ity taona 2018 ity no nitsanganany mba ahafahana mikarakara fampisehoana maro eran-tany entina manantanteraka ny tetikasanay antsoina hoe “Madagascar Project”. Eto am-pamitana horonantsary sy hira fanentanana sady fanazavana azy ity izahay izao, ka raha tsy misy ny sampona dia hivoaka eny amin’ny  haino aman-jery amin’ny 26 jiona izany.

Ny tanjona manko dia ny hananganana “Vato Vonjy Aina” (Bornes solidaires) maro ao Madagasikara ho apetraka eny amin’ny Fokontany na Firaisana izy io natao hamatsiana sakafo sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ho an’ireo olona sahirana ao amin’ny faritra iray.

 

Azonao azavaina fohifohy ve ny momba ireo “Vata Vonjy Aina” ireo ?

Karazana lalimoara atsangana isam-paritra izy ireo arak’ity sary aseho ity.  Tsy voatery ho sakafo ihany no afaka aterina ao fa ireo kojakoja  ilaina andavan’andro ihany koa, toy ny akanjo, bodofotsy, fitaovam-pidiovana (savony, borosy nify, sns) sy ny hafa maro izay mety ho ambim-bava amin’ireo manana kanefa dia manampy tokoa ireo sahirana.  Hisy lisitra sy sary rahateo apetaka isaky ny Vatolahy mba hahalalan’ny olona hoe inona daholo no azo aterina ao ary inona no voarara (ny zava-pisotro misy alikaola ohatra)

 

Ianareo moa izany Fikambanana vao niorina ary tetikasa vao etý am-panombohana izy ity. Inona ny drafitra amin’izany ?

Ny “Fahamendrehana” dia hiara-hiasa amin’ ireo fikambanana maro efa misy ao Madagasikara satria ireo Vata Vonjy Aina ireo dia tsy ho atao fahazarana akory fa ho fiaingana mankany amin’ny fiainam-baovao. Noho izany dia hisy ny fanofanana ireo olona ireo mba hahafahany manao ny asa.

Etý am-panombohana dia hisy ny fiaraha-mikaon-doha amin’ireo tompon’andraikitra isaky ny kaominina mba hahafahana mamaritra hoe aiza no toerana tena mila asiana azy ireo maika. Mazava fa Antananarivo aloha izany no hanombohana azy satria mila dinihana ny lafin-javatra maro, indrindra ny olana mety hitranga, mialoha ny hanaparitahana azy any amin’ny Faritany.

 

Matetika dia isan’ny olana sedrain’ny tetikasa toa itony ny toe-tsaina tsy tia/tsy mahay mikajy ny tontolo iainana sy tia mandrava izay voatsangana. Efa mivonona amin’izany ve ianareo ?

Eny, efa anaty fandaharan’asa ny fangatahana fiarahamiasa amin’ izay afaka hirotsaka an-tsehatra an-tsitrapo, hanentana ireo olona karakaraina, hanazava fa ho azy ireo no hananganana izany ka tsy tokony ho simbaina izy ireny, ary ho anjaran’izy ireo ny manadio sy manaja ireo Vata Vonjy Aina. Tsy ny olona ampiana ihany anefa no ho entanina amin’izany fa ireo manome ihany koa : zava-dehibe ny fitiavana mizara sy manome fa mila fahazarana ihany koa ny  manatitra izany ao anaty Vata Vonjy Aina. Fampianarana ny mponina hifanampy izany mba hahazoan’ny tsirairay  ny anjara masoandrony.

 

Rahoviana no kasaina hatomboka izy ity ? Inona ny andrasanareo amin'ireo malala-tànana te hanampy anareo ?  

Ny tao-trano moa tsy efan’ny irery ka araka ny nolazaiko teny am-piandohana dia anaty fandaharan’asa ihany koa ny fikarakarana fampisehoana eran-tany hamatsiana ny tetikasa. Manantena izahay fa maro ny artista sy ireo  Zanak’i Madagasikara am-pielezana no hamaly ny antso rehefa tonga ny fotoana.

Ny fikasana dia ny hitsanganan’ireo Vata Vonjy Aina alohan’ny Noely 2018 ary ny fanirianay dia mba ho maro isika no hamatsy azy ireny arak’izay vita sy am-pelatànan’ny tsirairay. Ny erikerika manko mahatondra-drano.

Ary indrindra mba ho maro ny hanatitra fanomezana ao anatin’ireny rehefa tonga ny Krismasy. Fanomezana kely dia kely tena hanome fifaliana sy fahasoavana lehibe ho an’ireo tena sahirana. Tsy misy zavatra tsy azo tanterahana izany raha mbola eto an-tany raha toa ka miara-miasa sy manome fitiavana ny hafa ireo izay mahatsiaro tena fa nitsikian’ny vintana.

***********************************************************

Ho an’izay liana te hifandray mivantana amin’ny Fikambanana :

FAHAMENDREHANA 

Tel : +24104817625
fahamendrehana@gmail.com
www.madagascarproject.com

 

 

 

 

 

Rondro Volantsoa