Foara Z'Ovy andiany fahatelo ao an-drenivohitr'i Vakinankaratra

« Vakinankaratra misokatra amin’y fampandrosoana mandray fivoarana », izay no lohahevitry ny foara Z'ovy, andiany fahatelo, izay hotontosaina manomboka ny 13 ka hatramin'ny 16 mey ho avy izao ao Antsirabe renivohitra.  
Raha toa ka hetsika ara-kolotsaina sy fanatanjahantena no niompanan'ireo andiany roa voalohany dia hivelatra kokoa amin'ny lafiny ara-toekarena ity indray mitoraka ity ka mikatsaka indrindra ny hanomezana lanja ireo sehatra izay mandray anjara betsaka amin'ny fampandrosoana ny faritra, ny hanintonana ihany koa ireo mpampiasa vola ary hifampizarana traikefa amin'ireo fikambanana sy mpandraharaha avy eo an-toerana na avy amin'ny faritra hafa, ary avy any ivelan'ny nosy ihany koa.
Trano heva 120 eo ho eo no miandry ny mpitsidika. Ny faritra Vakinankaratra iray manontolo, izany hoe ireo distrika 6 ankoatran'Antsirabe renivohitra, no tompon'anjara amin'ity foara ity ary ny « Groupe de Travail Régional » sy vaomiera fito isan-tsokajiny no eo amin'ny fanantanterahana azy.