Freddi Greco, malagasy ao amin'ny sampana tanoran'ny ekipan'i Roma

 

Anarana iray manomboka mamiratra eo anivon’ny lalao kitra
zandriny ao Roma i Jean Freddi Pascal GRECO, zaza malagasy natsangana
fianakaviana italianina.

Teraka tamin’ny taona 2001 tao Andohatapenaka, Madagasikara, ary nanomboka
niofana sy nanazatra tena tao amin’ny sekoly Totti Soccer School ao Roma ny 2009 izy. Mpanafika
no anjara toerany tamin’izany fa manatombo amin’ny hafa izy noho izy kavia no
manana talenta ara-panatanjahantena ara-dalàna ary afaka mitazona toerana
samihafa eny ambony kianja.

Nahatsikaritra izany talentany izany moa ny tompon’andraikitra
ao amin’ny ekipan’i Roma ka nandray azy hanao irakiraka (ankavia) ary ny taona
2015 teo izy dia nomena ny toeran’ny mpanafika. Tsy nandiso fanantenana rahateo
ny vokatra tamin’izany satria dia nahatafiditra baolina iray izy raha
nifanandrina tamin’ny ekipan’ny PSG tamin’ny lalao manasa-dàlana ary nanamarika
iray ihany koa tamin’ny lalao famaranana nandresen’ny ekipan’ny Roma raha
nifandona tamin’ny Inter (Milan).

Nofinofin’ny ankamaroan’ny zazalahy tokoa ny ho lasa kalaza
eo amin’ny baolina kitra ka dia mirary soa indrindra ho azy, ho reharehan’ny
kitra italianina sy malagasy.

Forza Freddi !