GTT International Genève : tokony atao ny fihaonana an-tampony takian’i Amiraly

 

Ny alin’ny asabotsy 19 novambra lasa teo, nivahiny mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tao amin’ny onjam-peo RNA Toamasina ireo mpitarika ny fikambanana GTT International Genève na Gasy Tia Tanindrazana izay nahitana ny Filohan’ity fikambanana ity Dr Gilbert Darsot( Marseille), ny tompon’andraikitry ny seraseran’ny GTT Inter Genève Profesora Dieudonné Ranarison (Poitiers) ary Rtoa Patricia Lehmann izay anisany mpanorina ity fikambanana ity. Nandritra io tafa mivantana nataon’izy ireo tamin’ny vahoakan’i Toamasina io no nilazan-dry zareo fa manohana hatrany ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nisy koa ny fanamarihana manokana nataon-dRamatoa Patricia Lehmann izay nanambarany fa manohana ny tolo-kevitra naroson’i Amiraly Ratsiraka izy ireo dia ny tokony hanatontosana fihaonana an-tampony any Madagasikara eo amin’ireo lehiben’ny Movansy 4. Io fihaonana an-tampony io avy eo no mamaritra ny fitsinjaran-toerana eo amin’ny akolafy rehetra mba hialana amin’ny adi-varotra seza lava.

 

Nanamafy koa ity fikambanana GTT International Genève ity fa tsy miova amin’ny fitakiana hatramin’izay nijoroany dia ny famoahana ireo gadra politika, famelana hody malalaka eto Madagasikara sy tsy misy fepetra ireo sesitany politika rehetra indrindra ny Filoha Ravalomanana Marc ary ny fanokafana ireo haino aman-jery rehetra nakatona. 

 

Nangonin’i Tamaga