Kazakhstan : angidimby fitondra an'ady niantsona teny an'arabe nanontany làlana fa very.

 

Toy ny hoe nofy raha tantaraina fa ity ny horonantsary nalain'ilay mpamily fiarabe taitra raha nahita ity angindimbin'ny tafika kazakistana nijanona teo anoloany.

Nidina ilay mpanamory dia nankeny aminy nanontany hoe aiza ho aiza ilay toerana tokony alehany fa very noho ny tafiotr' orampanala namely ilay faritra izy.

Nanamafy ihany koa ny Ministeran'ny Fiarovana kazakistana fa very teo am-panaovana fanazarantena ity mpanamory ity.