Koriam-penina...Gaga ny olona...

...GAGA NY OLONA…

Bongo masom-pifaliana
no endrika nentiko nandeha niasa. Tsy tara toy ny isan’andro aho fa anisan’ireo
tonga aloha teo anoloan’ny vavahady lehibe fidirana. Hitako gagagaga mihitsy
aza ilay mpiambina , zatra mahita ahy tsembo-dratsin’ny hatarana isa-maraina. Nanaovako
tsiky tsy ravo izy dia nolalovako sady nomeko pi-maso. Ny mpiara-miasa hafa moa
dia nanontany sy nananihany hoe “natory teo anoloan’ny vavahadin’ny fiasana
angaha ingahy Solo”

Tsy nataoko
nampihontsona ahy ireo fanamarihana nataon’ny rehetra ahy, tsy vonona ny hiasa
loha amin’izany koa ny saiko. Ny hahita anao ihany no tanjoko vao maraina. Tena
difo-pitiavana tokoa ny foko, ka na hatramin’ny asako aza lasa vita kitoatoa.

Dia lasalasam-borona
teo aho ka na ilay lehibeko nijoro nandondona ahy aza tsy hitako akory. Somary
nikohaka kely izy no niteny tamiko hoe, “manana roa minitra kely ve ianao
hiresahantsika any amin’ny biraoko”
tsy namaly akory aho fa tonga dia nanaraka
azy toy ireny olona azon’ody ireny.

“akatony
mora io varavarana io azafady"
hoy izy hentitra dia hentitra. “Dia mipetraha ianao. Ekeko
fa vao haingana ianao no niasa tato , kanefa anisan’olona hitako fa mahay sy
mazoto miasa ianao. Tato ho ato anefa dia toa somary nandiso fanantenana ahy
kely fomba fiasanao. Ka izany no nampiantsoako anao. Velom-panontaniana aho hoe
: misy inona ? sa inona no olana ? raha toa ka misy azo hifanampiana na
hifanohanana dia lazao. Fa tsy tiako mantsy ny ifangaroanan’ny fiainana any
ivelany sy ny fiainana ato am-piasana.  Sa te haka rivotra kely ianao ? azoko omena roa
na telo andro ianao . Raha izao mantsy no fandehany dia mety hampandeha ila ny
fiodinan’ny orin’asa ny fomba fiasanao. Ka eritrereto dia lazao aho rehefa
mirava isika rahariva”.

Tsy tadidiko
akory izay nolazaiko teo fa dia nivoaka tsy taitra akory aho, namonjy ny
toerako. Mbola tsy tafatombina akory aho dia injao nihovitra ny findaiko, tena
adinoko tokoa ny namono azy. Nojereko ilay izy kay antsonao. Saika nihoraka aho
raha tsy I Andry no niteny tamiko tampoka hoe “rehefa tsy alaina intsony leitsy
ialahy dia mitenena fa izaho sahirana fotsiny nanita-dalana nankany a

niboredika niala tsiny taminy teo aho sady nikisaka moramora.  Navoakako ilay finday ka nanoratra ho anao
an-takonana aho. “tsy afaka miantso aho akia ry tiako fa soraty eto ny hafatra,
manoroka mamibe”.
Dia mody nisomeby niasa aho kanefa tsy misy mandeha amin’izay
laoniny mihitsy izay ataoko. Dia nihovitra indray ilay finday ary hoy ianao tao
anatiny “izaho irery no ato an-trano androany 
sy rahampitso fa lasa daholo ny olona dia rahampitso harivabe vao
miverina, fa ataovy akia ry malala izay hahatongavanao aty fa mila anao ny
saiko , ny foko, ny fanahiko, indrindra fa ny vatako izay mangorovitsikin’ny
hetaheta anao. Manoroka mamibe tsy misy fetrany”

Nangoritsina
ny vatako iray manontolo, niefonefona tampoka teo ny foko. Tonga dia nanao
dingan-dava aho niverina tao amin’ny biraon’ilay lehibeko. “Miala tsiny tompoko
fa niverina sahady ho tohin’ilay resatsika teo. Tsy izany  mantsy fa somary misy olana tokoa aho eo
anivon’ny fianakaviana ka izany no antony tompoko, ka raha mety tokoa dia saika
hijanona kely aho  manomboka androany hariva hahafahako mandinika tsara sy mamaha ny olana
tompoko”.
Nisafo sirana kely izy dia niezaka niteny tamiko tamim-peo mazava
nefa hentitra. “tsy dia fanao loatra izany , ary tsy haiko ihany koa izay olana
misy aminao any, kanefa ilaina ianao ka dia ekeko ny fangatahinao. Tadidio anefa
fa tsy tokony ataonao fanao izao. Ary tsarovy fa betsaka ihany koa ny mitady
asa. Izay izany fa omeko telo andro ianao dia amin’ny alatsinainy isika mihaona.
Mazotoa ianao.”

“Misaotra
tompoko
" hoy aho sady noezahiko nafenina ilay bitabitaka tao anatiko. Saika hihazakazaka
aho hamonjy ny toerako, dia hoy indray I Andry nitsena ahy “ aza dia tia
afinafina leitsy moa fa lazao hoe inona no ambadik’izao  a ? sa iza moa leitsy lazao fa inona ary ity”
nitodika tany aminy sady feno tsiky ny tavako dia hoy aho mantsy azy “ho fantatr’ialahy
eny ihany leitsy raha misy vaovao fa inona ary ity. Mazotoa miasa ialahy
" sady
nomeko pi-mason-drahalahy izy. "Tsy hiasa aho manomboka rahariva hoy aho fa
rehefa tonga aho amin’ny alatsinainy 
miresaka isika, fa aleo aloha hiasa e”
Naka toerana kely aho dia namaly
ilay hafatrao nanao hoe “ho avy aho ry aiko, fa asio sakafoko ao, dia atokany
ho antsika sahady ny tolakandro manontolo sy ny alina ary ny ampitso”