Koriam-penina...Tsirom-pitiavana...

...TSIROM-PITIAVANA...

Azafady fa
tsy maintsy noraisiko” hoy ianao, “nanontany mantsy izy hoe tsy mangingina ve
hono ilaozan-dry dadatoa androany alina”. “Dia hoy aho hoe : ny fahanginana efa
mahazatra ahy fa ilay hafanana no tsy tantiko, sady ny hafanana aty, hafanana
mandomando ka mampamora tsemboka” dia hoy izy “izay aloha e, dia manararaota
anefa aloha amin’izany hafanana izany fa rehefa miverina mianatra ange ianao
dia hangatsiaka indray e” “eny hoy aho, hanararaotra tokoa moa izany”

Dia nihomehy
ianao sady niteny tamiko hoe “hoy I neninay hoe manararaota hono an’izany
hafanana  izany fa rehefa miverina
mianatra dia hangatsiaka indray” namihina ahy moramora ianao no sady niteny hoe
:”mahazo manaraka ny tenin’I neny ve sa mihaino fotsiny” dia  tsy navelanao namaly akory fa tonga dia
notsenainao oroka indray ny vavako. Dia hoy indray ianao “andao aloha hiakanjo
dia hisakafo kely fa mbola hiantso eo hono I dada fa rehefa tonga any
am-piasana hono izy vao miantso”. “tena hisakafo ve hoy aho ?” , “eny hoy ianao
amin’ilay feonao sady miangoty no mananihany, ampy izay santatra izay fa rehefa
avy isika roa manohy ny lalao, fa tadidio fotsiny hoe taiza isika no nijanona
an !!” samy nampiditra akanjo ambony  isika dia nifampitantana nidina ny tohatra.

“Izaho mikarakara
ny ao an-dakozia dia ianao mikarakara ny eo ambony latabatra, atsy ny lovia dia
ato ny sotro, dia iretsy ny vera” hoy ianao, hany ka nanatanteraka fotsiny sisa
no nataoko.

Injay tokoa
fa naneno ilay findainao. “Izay dada ary” hoy ianao. Sady nandamina latabatra
aho no mitsiky aminao izay somokitra ery mitantara dia mitantara amin-drainao
ny fandanianao fotoana aty. Sady mandinika anao miresaka aho no mitsiritra anao
ihany koa. Nanantona anao moramora hanidy ny bokotry ny lobakao, nefa dia vao
maika natsofokao tany ny tanako no sady nanao baiko moana ianao hoe “milamina
ihany”. Dia  nampanarahiko ny
voitran-tratranao ny tanako, na sady nampilalaoviko teo an-daingony. “izay
aloha ry dada” hoy ianao “fa hikarakara sakafo aho, fa dia asaiko miantso anao
izy rahampitso raha vao tonga, tsy maninona na amin’ny firy na amin’ny firy an
! veloma I dada”.”Tonga dia vonoiko ity finday ity fa sady mampidina hafanana
no manapak’aina” “aza vonoina” hoy aho “fa ampidino fotsiny ny feony” “hay ,
dia inona koa no ampidinina ?” hoy ianao nisangy aho no sady nisintona ahy
indray ho eo ambony sezalava.

Dia tsy
nisy resaka intsony fa tonga dia avy indray ianao miaraka amin’ilay
herisetram-pitia nifanaritaka tamiko. Poa toy izay dia afaka ireo akanjontsika
efa nomanina hianjera.  Nofihininao aho
sady hoy ianao hoe “izay ! tsy hisy hanelingelina antsika intsony eo fa dia ny
aina no matezà fa hivoky fitia isika mandra-pilentik’io masoandro io”.

Rehefa avy
nifanakalo oroka sy safo teo isika dia hoy ianao hentitra :”avia” , “tsy
niambatra aho fa avy hatrany dia nibata anao moramora hiakatra teo amboniko” , tao
anaty feo feno fankasitrahana no nandraisanao ahy, nametraka anao hifantsika
teo amboniko. Nifanosika sy nifampisintona isika, sady nofihiniko ny valahinao,
no nosamborinao an-drangotra ny tratrako sy ny soroko” . Nifampibanjina tao
anaty fikimpiam-py ny masontsika, ny vatantsika kosa mifameno toa teny roa
nakamban-tsipi-panohizana. “Tiako izany” hoy ianao no sady nohafainganinao
fandeha izato andilanao mifanapaka amiko.

Nivadika indray
isika, ka nahorirako ianao, no sady nampiadiako  ny vatantsika, toy ireny hety miady ireny. Sady
nanaiki-molotra ianao, no nanipy teny mamy sy voambolan-konaina  feno famporisihina. Namikitra ilay hazo
fametrahan-tanan’ilay sezalava aho; no sady manaraka ny onjanao, feno sefo sy
kiakam-pitiavana. Tsy nisy niteny isika nefa norovitin’ny feontsika ny
fahanginana. Ny fidoboky ny dom-batantsika roa mihaona miampy ny feon-taraina
avoakanao sy ny trena malefaka ataoko, no antso vonjin’ny fitia sy feo sisa re
tao amin’ilay trano foana.

Nifamadika indray
mandeha indray isika ka ny lamosinao no nataonao fitaratra hamerina amiko ireo
sarin’ny firaisantsika. Rehefa tsy mamikitra ny sorokao aho dia mamikitra ny
tratranao mba tsy hanarahintsika ilay fikisaky ny seza. Notazoninao ilay lamban-tseza
no sady noraotinao hanaraka ny onjan-dolam-balahinao. Niparasaka ny  ranom-pitiavantsika tao anaty fampiaraham-peo
mandrovi-tsihy. Niaraka tapi-tsefo sy tapi-tsento ny efonefom-peontsika. Avy eo
isika dia niara-nitrosona teo ambony seza , sady tsy naharay tena no valalanin’ny
fitia. Nifampijery isika dia nifanoroka malefaka; nofikirinao aho dia norakofako
ilay lamban-tseza isika. “tiako tsiro isika” hoy ianao tao anaty feo
an-dalam-paharendremana.  Dia resy isika,
resin’ny fitia, sady resin’ny fitiavana.