Le Mans : nasosan'ny menaka avokoa ireo soavaly vy nifaninana.

 

Lasa gorisagorisa sisa no niafaran'ny fifaninana soavaly vý tao Le Mans androany 21 mey, raha vao fihodinana voalohany fotsiny, noho ny menaka niraraka tamin'ny làlana.

I Norodin, tambonin'ny Suzuki no nianjera voalohany ka nampianjera ny hafa. Tanatin'izany rehetra izany dia nisy fantsona tamin'ny soavaly vy iray vaky ka nandraraka ny menaka iray manontolo tamin'ny arabe nilalaovana. Vokany : ny ankamaroan' izay tao afara dia nisosa avokoa. 

Voatery natsahatra noho izany ilay fifaninanana. Ny zavadehibe dia tsisy voa mafy ireo mpifaninana.