Lionel Bourdageau, tanora fanantenana eo amin'ny lalao Fanorom-bazaha.

 

Raha talenta dia afaka mirehareha isika Malagasy fa manana  isan-karazany tokoa amin'ny lafiny rehetra. Anisan'ireny i Lionel Bourdageau izay efa miditra tsikelikely eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena amin'ny taranja "Fanorom-bazaha" (échec). Malagasy ray, efa tompo-daka tamin'ny lalao ady totohondry, ary malagasy reny i Lionel. 

Efa hatry ny fahakeliny izy no nankafý ny lalao Fanorom-bazaha ka nony feno 14 taona izy dia niditra amin'ny klioba iray malaza ao Strasbourg, izay tànana fonenany. Ary dia fandresena nifanesy hatrany no azony ka efa maro ny medaly sy amboara noraofiny nanomboka teo.
Ny fahafahampon'ny mpampianatra azy, i Daniel Ross izay isan'ny kalaza iraisam-pirenena amin'ny fampianarana Fanorombazaha, no nanosika azy hifofotra mba hahalasa an'i Lionel ho tanora kintana fanantenan'ny Bas-Rhin (67), departemanta frantsay mizy azy.

Nanao fanadinana "Diplôme d' Initiateur de la Fédération Française d'Échecs" (D.I.F.F.E) i Lionel tamin'ny faha-15 taonany ary afaka soa aman-tsara ka na dia mbola kely aza ny taonany dia nanaiky nanasonia taratasy fifanarahana ho azy ny Tanànan'i Strasbourg mba ahafahany misehatra eny amin'ny sekoly rehetra anatin'ny departemanta.

18 taona i Lionel Bourdageau ankehitriny raha nandrombaka ny laharana voalohany tamin'ireo 159 mpifaninana nandritra ny Festival International d'Échecs andiany faha 26, izay natao tao Sélestat (France) ny 21 ka hatramin'ny 24 febroary 2019 lasa teo.

"Eto vao tena manomboka ny lalao" hoy izy. Mirary azy ho tafita lavitra dia lavitra koa isika.

 

Araho tsy tapaka ny vaovao ao amin'ny tambazotra facebook : Lionel Bourdageau.

 

 

 

Rondro Volantsoa