Mamy Brunette

Mamy Brunette,iza moa ianao?

Avy any amin'ny faritra atsimo atsinanana ny madagasikara aho.Izany hoe avy ao Manakara ny tena izy.Monina eto Saint-denis (France) amin'izao fotoana izao.

Ahoana ny nahatonga anao nihira?

Tamin'ny fahazazako dia efa niakatra an-tsehatra aho manafana lanonam-pianakaviana,fetim-pokontany,fetim-pirenena sns,satria nanana anadahy maromaro mitendry zava-maneno sy tia zava-
kanto.Taty amin'ny fahatanorana no nanaovako chorale tao amin'ny katedraly Don bosco tao Toliary,
tao amin'ny katedraly ihany koa tao Mananjary.Nisy fotoana aho taty aoriana no niara nilalao tamin'ny tarika Triangle tao Manakara .Izany rehetra izany dia isan'ny nanampy sy nitaiza ahy teo aminy lafiny hira sy mozika.
Tamin'ny taona 2010 no tena tapa-kevitra  nanatontosa ny namita hira maromaro izay
fiara-miasa natao niaraka tamin'ny Studio Mars tao Madagasikara.

Karazan-kira inona moa ny ataonao?

Gadon-kira nentin-drazana avy any amin'ny faritra atsimo sy atsimo antsinanana ny Madagasikara
namboarina sy nofolahana hanaraka ny toetr'andro amin'izao fotoana izao.
(batrelaka,karagnila,tosike)

Inona ny karazan-kira ankafizinao?

Tiako avokoa rehefa mozika,fa ny jazz ,ny kalony fahiny ary ny hira kaiamba no tena ankafiziko.

Inona moa ny tanjonao?

Ny hanatsara foana ny zavatra efa vita teo aloha,sy hanamafy ny fiaraha-miasa amin'ny mpanankanto malagasy.Eo ampiomanana ny hamoaka ny album voalohany aho,izay hoeritreretina hoavoaka ato ho ato raha sitrapon'ny Avo.
Inona ny hafatra farany?

Misaotra ny radio Vazo Gasy nanasa ahy androany ary misaotra ny fanohanana ny mpanankanto malagasy.Hafatra farany,hiakatra an-tsehatra ny tarika Mamy Brunette amin'ny sabotsy 26 Novembre
2011 amin'ny 8 ora sy sasany alina ao aminy salle ligne 13,Maison de la Jeunesse,12 Place de la Résistance et de la Déportation 93200 Saint Denis;Metro 13,Porte de Paris.Manantena ny fahatonganareo maro ary tena farany :mahazotoa mihaino ny Radio vazo Gasy

Misaotra tompoko.