Mba tolory tànana hono ny NASA hitady ilay 'planeta fahasivy'.

 

 

 

Ho an'izay tia mandinika ny habakabaka dia jereo ihany sao mety hahasoa anao ity satria hanokatra tranonkala natokana handraiketana izay rehetra mety mitranga ao amin'ny rafi-masoandro ny NASA.

Ho azy ireo manko dia misy "Planeta fahasivy" miafina ao ambadika ao ka manitikitika andrizareo mihitsy ny hahalala izany. Tamin'ny janoary 2015 dia nahatsikaritra hery hafahafa misintona eo amin'ny Fehikibon'i Kuiper izy ireo. Amindrizareo dia tsy misy ifandraisany amin'ireo planeta valo efa fantatra amin'ny rafi-masoandro izy io ka nahatonga azy ireo handroso ny vinavina ny fisian'ny planeta "fahasivy" izay mety mihodina any amin'ny 150 tapitrisa kilometatra any ambadiky ny planeta Pluton any ho any (izany hoe 75 heny noho ny fahalaviran'i Pluton amin'ny Masoandro ny halavirany). Ka raha lavitra be toy izany ny elanelana dia tsy 365 andro toy ny Tany fotsiny no hihodidinany ny Masoandro fa anatin'ny 20.000 taona. Na dia heverina ho avo 20 heny amin'ny haben'ny tany aza anefa ny haben'izy io dia tsy manome hazavana be izy ka mahasarotra ny haminavinana izay tena misy azy.

Ka eto no ilan'ny NASA tanàna amin'ny alalan'ilay tetikasa "Backyard Worlds : Planet 9". Mampiasa sary azo avy amin'ny masolavitra WISE ny NASA ary manome flipbook ho an'izay liana mba hahafahany manaraka izay rehetra mihetsika eny an'habakabaka eny. Raha mahita zavatra hafahafa ianao dia afaka mampilaza izany fa dia hodinihan'ireo manampahaizana akaiky izany. Raha toa ka tena zavadehibe tena mahaliana moa no tsikaritrao dia hosoratana anatin'ny diary hitehirizana izany ny anaranao. 

Izay milalao ihany no mahazo an !